Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 6:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Dia hanala ny fanamiany teo ilay mpisorona ka hitafy fanamiana hafa, ary hamoaka ny lavenona ho eny ivelan’ny toby, amina toerana madio.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Dia hanala ny fitafiany izy ary hitafy fitafiana hafa ka hamoaka ny lavenona ho eny ivelan’ny toby amin’izay toerana madio.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Dia hanala ny fanamiany teo ilay mpisorona ka hitafy fanamiana hafa, ary hamoaka ny lavenona ho eny ivelan’ny toby, amina toerana madio.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Raha efa izany, havelany ny fanamiana, dia hosoloiny hafa, hitondrany ny lavenona any ivelan’ny toby, amin’ny fitoerana madio.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary hanala ny fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny ivelan’ny toby amin’izay fitoerana madio.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary hanala ny fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny ivelan'ny toby amin'izay fitoerana madio.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Dia hanala ny fitafiany izy ary hitafy fitafiana hafa ka hamoaka ny lavenona ho eny ivelan’ny toby amin’izay toerana madio.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 6:4
20 Rohy Ifampitohizana  

Ary nitarainan’i Abrahama i Abimelèka noho ilay lavaka fantsakana nalain’ireo mpanompon’i Abimelèka an-keriny.


Eny, avereno amin’ny mpitrosa, izao anio izao ihany, ny sahany sy ny tanimboalobony mbamin’ny tanin’ôlivany sy ny tranony; ary afoizo ny tombon-tsoa ateraky ny vola mbamin’ny vary sy divay ary menaka izay nampisamborinareo.


Eny, nanosihosy sy nahafoy ny mahantra izy, ary nangalatra tranon’olona an-keriny fa tsy mba nanao ho an’ny tenany.


Fa afindran’ny olona ny baorin-taniny; ary biby fiompy nangalarina no andrasany.


mitsentsitra ny mahantra sy ny fadiranovana, mangalatra amin’ny olona, tsy mamerina ny antoka izay nomen’ireo mpitrosa azy, manompo sampy sady manao zavatra maharikoriko,


Ny rainy izay nampahory sy nangalatra ary nampijaly ny vahoaka nanodidina azy ihany no ho faty noho ny fahadisoana nataony.


Tsy mitsentsitra na mangalatra izy fa mamerina ny antoka amin’ny mpitrosa, ary manome hanina ho an’ny noana sy fitafiana ho an’ireo tsy manana.


Raha mamerina ny zavatra natao tsatòka izy sady mampody izay nangalariny, raha tsy manao ratsy intsony fa mankatò ny lalàna izay manome fiainana, dia tsy ho faty izy fa ho velona tokoa.


Ary rehefa hivoaka hankany amin’ny kianja ivelany izay misy ny sarambabem-bahoaka izy, dia hoesoriny ireo fanamiana nanaovany teo am-panatanterahana ny asany ka hapetrany ao amin’ny efitrano voatokana, ary hiakanjo fitafiana hafa izy; izany no tsy hampahitany loza ny vahoaka amin’ireny fanamiany ireny.


Fa izay mahafaty biby fiompy kosa, dia hanonitra azy: biby velona no solon’ny biby maty.


«Izay mahafaty biby fiompy, dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa, dia hatao maty.


izany hoe ny sisa rehetra amin’ilay ombilahy, dia hasainy hoentina any ivelan’ny toby, ho any amin’izay toerana madio fanariana ny lavenona, ka hodorana eo ambony kitay hazo mirehitra izany; eo amin’ny toerana fanariana ny lavenona no handoroana azy.


Fa izao no teny hentitry ny TOMPO: «Tsy nahalala hanao asa marina ry zareo; zavatra vokatry ny herisetra sy ny fandrobana no angoniny ho ao an-dapany.»


Mitsiriritra saha izy, dia mangalatra izany; na mitsiriritra trano, dia mahalasa azy; alainy ankeriny na ny loham-pianakaviana sy ny ankohonany na ny olona mbamin’ny fananany.


Amin’izany andro izany dia hofaiziko avokoa izay rehetra mandingana ny tokonan-tempoliny sy izay rehetra mameno ny tranon’ny tompony amin’ny harena azo an-kosoka sy an-keriny.


Miteny aza ianareo hoe: «Asa mafy re izany!» Dia tsy mba miraharaha Ahy ianareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao. Biby nangalarina na mandringa na marary no atolotrareo amiko. Koa ataoko ahoana, hoy AHO, no fankasitraka izany avy amin’ny tananareo.


Tsy maintsy hiaiky ny fahotana nataony izy ka hanonitra amin’ny tompony izay zavatra nalainy, miampy ny ampahadimin’ny vidiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra