Levitikosy 6:3 - DIEM PROTESTANTA3 Avy eo dia hiakanjoan’ny mpisorona ny akanjony sy ny kalisaoniny samy vita amin’ny lamba rongony; ary handraoka ny lavenona avy amin’ny sorona dorana levon’ny afo teo ambonin’ny alitara izy, ka hametraka azy eo anilan’ny alitara. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20113 Ary hanaovan’ny mpisorona ny akanjony vita amin’ny lamba rongony, ary ny kalisaonina vita amin’ny lamba rongony dia hataony manolo-koditra; ary handraoka ny lavenona avy amin’ny fanatitra dorana manontolo izay nolevonin’ny afo teo ambonin’ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan’ny alitara. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara3 Avy eo dia hiakanjoan’ny mpisorona ny akanjony sy ny kalisaoniny samy vita amin’ny lamba rongony; ary handraoka ny lavenona avy amin’ny sorona dorana levon’ny afo teo ambonin’ny alitara izy, ka hametraka azy eo anilan’ny alitara. Jereo ny tokoBaiboly Katolika3 Isa-maraina ny mpisorona, rehefa niakanjo ny tonîka rongony madinika, sy nanao ny kalisaona rongony madinika manolo-koditra azy, dia handraoka ny lavenona avy amin’ny afo nandorana ny sorona dorana eo ambonin’ny ôtely, ka hametraka azy eo anilan’ny ôtely. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy3 Ary hiakanjoan’ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin’ny fanatitra dorana izay nolevonin’ny afo teo ambonin’ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan’ny alitara. Jereo ny tokoMalagasy Bible3 Any hiakanjoan'ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin'ny fanatitra dorana izay nolevonin'ny afo teo ambonin'ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan'ny alitara. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache3 Ary hanaovan’ny mpisorona ny akanjony vita amin’ny lamba rongony, ary ny kalisaonina vita amin’ny lamba rongony dia hataony manolo-koditra; ary handraoka ny lavenona avy amin’ny fanatitra dorana manontolo izay nolevonin’ny afo teo ambonin’ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan’ny alitara. Jereo ny toko |
Ary rehefa hivoaka hankany amin’ny kianja ivelany izay misy ny sarambabem-bahoaka izy, dia hoesoriny ireo fanamiana nanaovany teo am-panatanterahana ny asany ka hapetrany ao amin’ny efitrano voatokana, ary hiakanjo fitafiana hafa izy; izany no tsy hampahitany loza ny vahoaka amin’ireny fanamiany ireny.
Akanjo lava voatokana, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hanaovany; kalisaonina, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hataony manolo-koditra; fehikibo, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hietrany; ary fehiloha, vita amin’ny kiran-drongony fotsy, no hisatrohany: samy fanamiana voatokana ireo ka rehefa avy nandro i Aharôna vao hitafy azy.
Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: «Ho avy eo aminareo Aho mba hitsara anareo. Ho dodona Aho hanameloka ny mpanao majika, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpamaly karaman’ny mpiasa, ny mpamoritra mpitondratena sy kamboty na koa ny mpampahory vahiny, dia izay rehetra tsy manaja Ahy.»