«Manaova takela-bolamena madio, ka sokiro eo amin’io, toy ny fisikotra fanombohan-kase, izao teny izao: Fahamasinana ho an’i Iaveh.
Levitikosy 21:12 - Baiboly Katolika Tsy hivoaka ny fitoerana masina izy, tsy hametaveta ny fitoerana masin’ny Andriamaniny, fa fehiloha voninahitra eo aminy ny diloilo masin’ny Andriamaniny. Izaho no Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aoka tsy hiala avy tao amin’ny fitoerana masina izy na handoto ny toerana masin’Andriamaniny satria ny diloilo nanosoran’Andriamaniny azy no eo an-dohany: Izaho no TOMPO. DIEM PROTESTANTA Noho izany, rehefa misaona izy, dia aoka tsy hiala ny faritra masina, fandao hanazimba ny Toeramasina onenako; satria ny menaka nahosotro azy no efa nanokanako azy hanompo Ahy. Izaho no TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noho izany, rehefa misaona izy, dia aoka tsy hiala ny faritra masina, fandao hanazimba ny Toeramasina onenako; satria ny menaka nahosotro azy no efa nanokanako azy hanompo Ahy. Izaho no TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Ary aoka tsy hivoaka avy amin’ny fitoerana masina izy, na handoto ny fitoera-masin’Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran’Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah. Malagasy Bible Ary aoka tsy hivoaka avy amin'ny fitoerana masina izy, na handoto ny fitoera-masin'Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran'Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah. La Bible en Malgache Aoka tsy hiala avy tao amin’ny fitoerana masina izy na handoto ny toerana masin’Andriamaniny satria ny diloilo nanosoran’Andriamaniny azy no eo an-dohany: Izaho no TOMPO. |
«Manaova takela-bolamena madio, ka sokiro eo amin’io, toy ny fisikotra fanombohan-kase, izao teny izao: Fahamasinana ho an’i Iaveh.
Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;
Fa ianareo kosa aza mivoaka ny varavaran’ny trano lay fihaonana akory, fandrao dia maty ianareo, satria efa mby ao aminareo ny diloilo fanosoran’i Iaveh.» Dia nataon’izy ireo izay nolazain’i Môizy.
Dia nakan’i Môizy ny diloilo fanosorana sy ny ra teo ambonin’ny ôtely, nafafiny tamin’i Aarôna sy tamin’ny fanamiany, ary tamin’ireo zanak’i Aarôna sy tamin’ny fanamiany, ka nohamasininy avokoa i Aarôna sy ny fanamiany, ary koa ny zanany sy ny fanamiany.
dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza nahasitrana izay rehetra azon’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.