Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 21:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Noho izany, rehefa misaona izy, dia aoka tsy hiala ny faritra masina, fandao hanazimba ny Toeramasina onenako; satria ny menaka nahosotro azy no efa nanokanako azy hanompo Ahy. Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Aoka tsy hiala avy tao amin’ny fitoerana masina izy na handoto ny toerana masin’Andriamaniny satria ny diloilo nanosoran’Andriamaniny azy no eo an-dohany: Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Noho izany, rehefa misaona izy, dia aoka tsy hiala ny faritra masina, fandao hanazimba ny Toeramasina onenako; satria ny menaka nahosotro azy no efa nanokanako azy hanompo Ahy. Izaho no TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Tsy hivoaka ny fitoerana masina izy, tsy hametaveta ny fitoerana masin’ny Andriamaniny, fa fehiloha voninahitra eo aminy ny diloilo masin’ny Andriamaniny. Izaho no Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary aoka tsy hivoaka avy amin’ny fitoerana masina izy, na handoto ny fitoera-masin’Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran’Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary aoka tsy hivoaka avy amin'ny fitoerana masina izy, na handoto ny fitoera-masin'Andriamaniny; fa ny diademany, dia ny diloilo fanosoran'Andriamaniny azy, no eo an-dohany: Izaho no Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 21:12
9 Rohy Ifampitohizana  

«Hisy takela-bolamena madio iray hamboarina, ka hatao miendrika voninkazo ary eo amboniny hasiana soratra voasokitra toy ny amin’ny tombokase hoe: ‹Voatokana ho an’ny TOMPO›.


Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an’ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,


Ianareo kosa aza miala eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, fandrao maty ianareo; satria voatokana ho an’ny TOMPO ianareo noho ny menaka nanosorana anareo. Dia nanao araka ny tenin’i Mosesy izy telo mianaka.


«Aoka ho vehivavy virijiny no halain’ny mpisorombe ho vady.


Ary nangalan’i Mosesy ny menaka fanosorana sy ny ra izay teo ambonin’ny alitara, dia nafafiny tamin’i Aharôna sy ny zanany ary koa tamin’ny fanamiany ka samy voatokana ho an’Andriamanitra i Aharôna sy ny zanany mbamin’ny fanamiany.


Mandritra izany fotoana rehetra itokanany tena ho an’ny TOMPO izany koa, dia tsy mahazo manakaiky fatin’olona izy;


nandrotsahan’Andriamanitra ny herin’ny Fanahy Masina i Jesoa avy any Nazareta, ka nitety tany nanao soa sy nanasitrana izay rehetra teo ambany fahefàn’ny devoly, satria nombàn’Andriamanitra Izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra