Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 20:5 - Baiboly Katolika

dia hanandrina izany olona izany mbamin’ny fianakaviany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy mbamin’izay rehetra mivadika amiko toa azy ka mitolo-tena hanompo an’i Môlôka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia hifanandrina amin’io olona io sy ny ankohonany ny tavako ka haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy mbamin’izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin’i Moloka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

dia Izaho mihitsy no hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy mbamin’ireo nanaraka azy hanompo ny sampy Môlôka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia Izaho mihitsy no hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy mbamin’ireo nanaraka azy hanompo ny sampy Môlôka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin’ny fireneny izy mbamin’izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin’i Moloka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin'ny fireneny izy mbamin'izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin'i Moloka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia hifanandrina amin’io olona io sy ny ankohonany ny tavako ka haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy mbamin’izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin’i Moloka.

Jereo ny toko



Levitikosy 20:5
13 Rohy Ifampitohizana  

Nanao fitoerana avo tamin’ny tendrombohitr’i Jodà aza i Jôrama ary nitaona ny mponina tao Jerosalema hitolo-tena hanaraka andriamani-kafa ary nanambosy an’i Jodà.


Izy ireo nandoto tena tamin’ny asany, ary nitolo-tena tamin’andriamani-kafa.


Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,


Andrandrao amin’ny havoana ny masonao, ka jereo: Taiza no tsy nandotoana anao? Nipetraka eny an-dalambe eny ianao mba ho azy ireo, mova tsy ny Arabo any an’efitra! Ary ny fijangajanganao sy ny haratsiam-panahinao, dia efa nandotoanao ny tany;


Homeko fo iray izy ary hampombaiko lalana iray mba hatahorany Ahy mandrakariva, hiadanan’izy mbamin’ny taranany mamdimby azy.


Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro Aho hitodi-tava hamely anareo, hahatonga loza aminareo sy handringana an’i Jodà rehetra.


Hatsahatro avokoa ny fifaliany rehetra; ny fetiny, ny voaloham-bolany, ny sabatany, ary ny fetiny lehibe rehetra.


fandrao izy hampihanjahanjaiko hataoko toy ny tamin’ny andro nahaterahany, hampanjariko toy ny efitra, hataoko toy ny tany karankaina, ary hataoko matin’ny hetaheta.


Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany, hihinana ram-biby, na biby inona na biby inona, dia hanandrina izay olona mihinan-dra ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy;


Ka dia tsy hanatitra intsony ny sorona ataony ho an’ny satira izay tompoiny izy. Lalàna tsy tapaka ho azy ireo hatrany amin’ny taranaka mifandimby izany.


Na mody tsy mahita izany olona izany aza ny vahoaka, amin’ny anolorany ny zanany ho an’i Môlôka, ka tsy mamono azy,


Raha misy olona manatona izay mpamoha angatra na mpisikidy, ka mivadika amiko hanaraka ireny, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy.