Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 20:5 - DIEM PROTESTANTA

5 dia Izaho mihitsy no hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy mbamin’ireo nanaraka azy hanompo ny sampy Môlôka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 dia hifanandrina amin’io olona io sy ny ankohonany ny tavako ka haringako tsy ho eo amin’ny fireneny izy mbamin’izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin’i Moloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 dia Izaho mihitsy no hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy mbamin’ireo nanaraka azy hanompo ny sampy Môlôka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 dia hanandrina izany olona izany mbamin’ny fianakaviany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy mbamin’izay rehetra mivadika amiko toa azy ka mitolo-tena hanompo an’i Môlôka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 dia hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin’ny fireneny izy mbamin’izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin’i Moloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 dia hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin'ny fireneny izy mbamin'izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin'i Moloka.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 20:5
13 Rohy Ifampitohizana  

I Jôrama mihitsy no nanao toeram-panasinana teny an-tendrombohitr’i Joda ka nitaona ny mponin’i Jerosalema sy ny Jodeanina hanompo sampy sady hivadika amin’Andriamanitra.


Nozimbainy tamin’ny nataony koa ny tenany fony izy nivadika tamin’ny Tompo Andriamaniny.


Aza miankohoka eo anatrehan’ireny sampy ireny ary aza manompo azy, satria Izaho TOMPO Andriamanitrao dia saro-piaro amin’ny maha Andriamanitra Ahy. Raha misy olona meloka amin’izany ka mankahala Ahy, dia hofaiziko izy sy ny taranany hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika;


Atopazo eny amin’ny havoana ny masonao: jereo raha misy toerana tsy nandrian’olona taminao. Tahaka ny Arabo mpirenireny any an-taniefitra miandry ny rembiny no nipetrahanao teo amoron-dalana niandry ny lehilahinao. Ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany.


Hataoko iray fo sy iray hevitra izy mba hanaja Ahy hatrany hatrany, hahasoa azy sy ny taranany mandimby azy.


Ary nofaranan’i Jeremià hoe: «Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: ‹Indro Aho manandrina anareo ka hahatonga loza handringana ny mponin’i Joda rehetra.


Hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ireo fety fanaony isan-taona, ireo voaloham-bolany sy ireo sabatany ary ireo fety hafa fankalàzany.


Fandrao hampitanjahiko izy ka hampihanjahanjaiko toy ny tamin’ny andro nahaterahany. Hovako toy ny taniefitra sy toy ny tany karankaina izy, ary hataoko matin-ketaheta.


«Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, mihinana ram-biby, na biby inona na biby inona, dia hohandriniko izany olona izany, ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.


Ny sorona fanaon’ny Israelita dia tsy hatolony intsony ho an’ny fanahy ratsy miendrika osilahy, izay nanaovany fanompoan-tsampy. Lalàna raikitra ho azy ireo hatrany hatrany izany.


Raha mody tsy mahita izany olona izany ny mponina tompontany mba tsy hahafaty azy noho ny zanany natolony tamin’i Môlôka,


«Raha misy olona mivily hanaraka izay mpamoha angatra sy izay tsindrian-javatra ka hanao fombafomba fanompoan-tsampy dia hohandriniko izy ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra