Tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ho an’i Davida mandrakizay, ny fanjakana amin’i Israely, dia ho azy sy ny taranany, amin’ny fanekena tsy azo dikaina?
Levitikosy 2:13 - Baiboly Katolika Asiana sira avokoa ny fanatitra aterinao; aza avela tsy hisy siran’ny fanekem-pihavanan’ny Andriamanitrao ny fanatitrao: hanolotra sira ao amin’ny fanatitrao rehetra ianao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Samy asio sira avokoa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry atolotrao rehetra; ny siran’ny faneken’Andriamanitrao dia aza atsahatra amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry atolotrao; fa manolora sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra. DIEM PROTESTANTA «Samy asio sira ny fanatitra rehetra atolotrao. Ny sira dia famantarana ny fanekempihavanana nataon’ilay Andriamanitrao; ka aza avela tsy hisy sira ny fanatitrao, fa manolora sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Samy asio sira ny fanatitra rehetra atolotrao. Ny sira dia famantarana ny fanekempihavanana nataon’ilay Andriamanitrao; ka aza avela tsy hisy sira ny fanatitrao, fa manolora sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran’ny faneken’Andriamanitrao dia aza atsahatra amin’ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra. Malagasy Bible Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran'ny faneken'Andriamanitrao dia aza atsahatra amin'ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin'ny fanatitrao rehetra. La Bible en Malgache Samy asio sira avokoa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry atolotrao rehetra; ny siran’ny faneken’Andriamanitrao dia aza atsahatra amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry atolotrao; fa manolora sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra. |
Tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ho an’i Davida mandrakizay, ny fanjakana amin’i Israely, dia ho azy sy ny taranany, amin’ny fanekena tsy azo dikaina?
hatramin’ny talenta volafotsy zato, varimbazaha zato kora, divay zato bata, diloilo zato bata, ary sira araka izay tiany.
Dia ireo no hanamboaranao zava-manitra hanaovana ny fanembohana, voaharoharo araka ny asan’ny mpahay zava-manitra; asio sira izy, ary aoka ho madio sy masina.
Ianao moa, hanatitra ireo, eo anatrehan’i Iaveh; ny mpisorona kosa handraraka sira aminy, sy hanolotra azy ho sorona dorana amin’i Iaveh.
Izay rehetra voaavaka avy amin’ny zavatra masina, izay avahan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh, dia omeko anao sy ny zanako lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao, ho lalàna mandrakizay, fanekena voasira mandrakizay eo anatrehan’i Iaveh izany, ho aminao sy ny taranakao miaraka aminao.»
Ianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa dia hariana any alatrano hohitsahin’ny olona.
Aoka ny fiteninareo ho mahatehotia mandrakariva, sy ho mamy sira, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra tsirairay avy.