Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 2:12 - Baiboly Katolika

12 Fa azonareo atolotra an’i Iaveh ho fanatitra voaloham-bokatra izany; nefa tsy hisy apetraka eo ambonin’ny ôtely ho fanatitra misy hanitra ankasitrahina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manolotra ireo ho an’NY TOMPO, kanefa tsy hakarina eo ambonin’ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manolotra leviora na tantely ho an’ny TOMPO; kanefa tsy mba hakarina eo ambonin’ny alitara hanetona ho hanitra ankasitrahina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manolotra leviora na tantely ho an’ny TOMPO; kanefa tsy mba hakarina eo ambonin’ny alitara hanetona ho hanitra ankasitrahina izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 fa ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manatitra ireo ho an’i Jehovah; kanefa tsy hakarina eo ambonin’ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 fa ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manatitra ireo ho an'i Jehovah; kanefa tsy hakarina eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manolotra ireo ho an’NY TOMPO, kanefa tsy hakarina eo ambonin’ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 2:12
15 Rohy Ifampitohizana  

Koa amin’izany ny sahan’i Efrôna, ao Makpelà, tandrifin’i Mambre, dia ny saha sy ny zohy ao, mbamin’ny hazo ao anaty saha ary ny hazo eny amin’ny sisiny manodidina;


Rehefa naely izany didy izany, dia nanateran’ny zanak’i Israely be dia be ny santatry ny varimbazaha, ny divay vaovao, ny diloilo, ny tantely, mbamin’ny vokatry ny tany isan-karazany; be koa ny fahafolon-karena nentiny avy amin’ny vokatra rehetra.


«Aza milasilasy amin’ny fanaterana amiko ny voaloham-bokatry ny varinao sy ny voalobokao. Atolory ahy ny lahy matoa amin’ny zanakao lahy.


«Haterinao ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.»


«Hankalazainao ny fetin’ny Herinandro, ny voaloham-bokatra amin’ny fijinjam-bary, ary ny fetin’ny fampakaram-bokatra amin’ny faran’ny taona.»


«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha avy izay hahatafidiranareo any amin’ny tany omeko anareo, ka mijinja ny vokatrareo ianareo, dia hitondra amboaram-bary iray amin’ny mpisorona ho santatry ny vokatrareo.


Mitondrà, avy any an-tranonareo, mofo roa, ho fanatitra hahevaheva natao tamin’ny lafarina tsara indrindra roa ampahafolon’ny efah, sy nandrahoina nasiana lalivay; santa-bokatra ho an’i Iaveh izany.


Ary hampiana mofomamy misy lalivay, ny fanatitra izay haterina miaraka amin’ny sorom-pisaorana hanaovana sorom-pihavanana.


Ho santatry ny kobanareo, dia havahanareo aloha ny mofomamy iray hatao fanatitra; havahanareo izany toy ny fanavahana ny fanatitra avy eo am-pamoloana.


Omeko anao avokoa ny tsara indrindra amin’ny diloilo, sy ny tsara indrindra amin’ny divay vaovao sy amin’ny vary, dia ny voaloham-bokatra hateriny ho an’i Iaveh.


Tsy izany anefa, fa efa nitsangana avy any amin’ny maty tokoa i Kristy, ary Izy no santatr’izay efa nody mandry;


Koa ankehitriny, ry Iaveh, inty aho mitondra ny santatry ny vokatry ny tany efa nomenao ahy. Dia hapetrakao eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao izany, ka hiankohoka eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao ianao.


Ireo no tsy nandoto tena tamin’ny vehivavy, fa virjiny izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany. Ireo no navotana avy amin’ny olona, ho santatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra