Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 2:13 - DIEM PROTESTANTA

13 «Samy asio sira ny fanatitra rehetra atolotrao. Ny sira dia famantarana ny fanekempihavanana nataon’ilay Andriamanitrao; ka aza avela tsy hisy sira ny fanatitrao, fa manolora sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Samy asio sira avokoa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry atolotrao rehetra; ny siran’ny faneken’Andriamanitrao dia aza atsahatra amin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry atolotrao; fa manolora sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 «Samy asio sira ny fanatitra rehetra atolotrao. Ny sira dia famantarana ny fanekempihavanana nataon’ilay Andriamanitrao; ka aza avela tsy hisy sira ny fanatitrao, fa manolora sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Asiana sira avokoa ny fanatitra aterinao; aza avela tsy hisy siran’ny fanekem-pihavanan’ny Andriamanitrao ny fanatitrao: hanolotra sira ao amin’ny fanatitrao rehetra ianao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran’ny faneken’Andriamanitrao dia aza atsahatra amin’ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran'ny faneken'Andriamanitrao dia aza atsahatra amin'ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin'ny fanatitrao rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 2:13
8 Rohy Ifampitohizana  

Tsy tokony ho fantatrareo ve fa ny TOMPO Andriamanitr’i Israely efa nanome mandrakizay ny fanjakàn’i Israely ho an’i Davida sy ny taranany? Eny, nataony fanekena tsy azo foanana izany.


Hatolotrareo an’i Hezrà hatramin’ny volafotsy 3 400 kilao sy ny varimbazaha telo alina kilao, ny divay efatra arivo litatra sy ny menaka efatra arivo litatra ary ny sira araka izay tiany.


Mpamboatra zava-manitra no hampifangaroharo azy miaraka amin’ny sira mba hahatonga azy ho voatokana sy madio.


Manoloana Ahy TOMPO no hitondranao ireo ka handrarahan’ny mpisorona sira eo amboniny ary hatolony ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO.


«Omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy izay fanatitra masina rehetra avahan’ny Israelita ho Ahy TOMPO. Ho anao sy ho an’ny taranakao dia ho fanekempihavanana maharitra sady tsy azo ovana izany eo anatrehako.»


–Ianareo no sira hanasoa ny tany; fa raha ny sira no tonga matsatso, hatao ahoana indray no fanome hasina azy? Tsy misy antony intsony izy fa dia ariam-potsiny any ivelany hohitsakitsahin’ny olona.


Aoka ho mahatehotia sy mahasoa mandrakariva ny teny ataonareo, dia ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay avy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra