Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 2:14 - DIEM PROTESTANTA

14 «Rehefa manolotra fanatitra voaloham-bokatra ho an’ny TOMPO ianao, dia salohim-bary no endaso amin’ny afo, ary totoy ho lango ny voam-bary voaendy; ka io lango io no hatolotrao ho fanatitra voaloham-bokatrao. Alohan’ny hanolorana azy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Raha manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO avy amin’ny voaloham-bokatra ianao dia salohim-bary voaendy amin’ny afo, lango avy amin’ny salohy vao, no hatolotrao ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry avy amin’ny voaloham-bokatrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 «Rehefa manolotra fanatitra voaloham-bokatra ho an’ny TOMPO ianao, dia salohim-bary no endaso amin’ny afo, ary totoy ho lango ny voam-bary voaendy; ka io lango io no hatolotrao ho fanatitra voaloham-bokatrao. Alohan’ny hanolorana azy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 «Raha fanatitra atao santa-bokatra no entinao amin’i Iaveh, dia salohim-bary voaendy amin’ny afo, lango voatoto, no haterinao ho fanatitra hatao santa-bokatrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary raha manatitra fanatitra hohanina ho an’i Jehovah avy amin’ny voaloham-bokatra hianao, dia salohim-bary voaendy amin’ny afo, dia lango avy amin’ny salohy maitso, no haterinao ho fanatitra hohanina avy amin’ny voaloham-bokatrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary raha manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah avy amin'ny voaloham-bokatra ianao, dia salohim-bary voaendy amin'ny afo, dia lango avy amin'ny salohy maitso, no haterinao ho fanatitra hohanina avy amin'ny voaloham-bokatrao.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 2:14
16 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nitondran’i Kaina fanatitra ho an’ny TOMPO ireo vokatry ny tany.


Nisy lehilahy tonga avy any Bahala-Salisà izay nitondra mofo ôrza roapolo sy varim-bazaha iray kitapo santa-bokatra ho an’ity olon’Andriamanitra. Dia nilazan’i Elisà ny mpanompony mba hizara ireo hohanin’ny olona;


dia handrarahanao menaka sady hasianao ditin-kazo manitra eo amboniny: fanatitra vokatry ny tany izany.


Ary hodoran’ny mpisorona hanetona ny fanati-pahatsiarovana, dia ny ampahan’ny lango voararaka menaka sy ny ditin-kazo manitra manontolo. Fanatitra levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO izany.»


«Raha manolotra sorom-pisaorana amiko TOMPO ianareo, dia araka izay hahazoanareo sitraka no anolory azy.


mba hamepetra ny Israelita hoe: «Rehefa tafiditra any amin’ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatrareo any, dia mitondrà ilay amboara voalohany amin’ny vary ôrza hojinjainareo ho any amin’ny mpisorona.


Ny fanatitra vokatry ny tany hampombaina io sorona io kosa dia koba lafarinina tsara milanja enina kilao, voadity tamin’ny menaka, ka hatao fanatitra levonina amin’ny afo mba ho hanitra ankasitrahiko; ary ny fanatitra araraka dia divay iray litatra sy sasany.


Hahevahevan’ny mpisorona eo anatrehako ireo zanakondrilahy roa ireo mbamin’ny mofo avy amin’ny voaloham-bokatra: dia zava-masina ho Ahy TOMPO izany ka ho anjaran’ny mpisorona.


Fa manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana no hieken’ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako. Ary hatraiza hatraiza no handoroana sorona sy hanaovana fanatitra mendrika ny anarako. Eny, hiaiky ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


«Aoka hotandremanareo ny hanolotra ho an’ny TOMPO, amin’ny fotoana voafetra, ireo fanatitra ho Azy, dia ny sakafo izay hodorana ka hanetona ho hanitra ankasitrahiny.


Efa nitsangana velona avy tany amin’ny maty tokoa anefa i Kristy, santatra ho an’ireo nodimandry.


dia makà ampahan’ny voaloham-bokatra rehetra azonareo avy amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, ka ataovy an-tsobika izany. Dia mankanesa amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo mba hipetrahan’ny voninahiny;


Ireo no tsy nandoto tena tamin’ny fomban-tsampy, satria madio toetra. Ireo no mpanaraka ny Zanakondry na aiza na aiza alehany. Ireo no efa navotana avy tamin’ny olona, mba ho santa-bokatra atolotra ho an’Andriamanitra sy ho an’ny Zanakondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra