Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Ezra 7:22 - Baiboly Katolika

22 hatramin’ny talenta volafotsy zato, varimbazaha zato kora, divay zato bata, diloilo zato bata, ary sira araka izay tiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 na hatramin’ny volafotsy zato talenta, ny varimbazaha zato kora, ny divay zato bata, ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

22 Hatolotrareo an’i Hezrà hatramin’ny volafotsy 3 400 kilao sy ny varimbazaha telo alina kilao, ny divay efatra arivo litatra sy ny menaka efatra arivo litatra ary ny sira araka izay tiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Hatolotrareo an’i Hezrà hatramin’ny volafotsy 3 400 kilao sy ny varimbazaha telo alina kilao, ny divay efatra arivo litatra sy ny menaka efatra arivo litatra ary ny sira araka izay tiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 na hatramin’ny talenta volafotsy zato sy ny vary tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 na hatramin'ny talenta volafotsy zato sy ny vary tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 7:22
5 Rohy Ifampitohizana  

Izaho Artakserksesa mpanjaka manome didy ho an’ireo mpitahiry vola rehetra any an-dafin’ny ony, mba hanatanteraka tsy misy tomika izay rehetra hilain’i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna, mahay ny lalàn’ny Andriamanitry ny lanitra, aminareo,


Tanteraho an-tsakany sy an-davany izay rehetra andidian’ny Andriamanitry ny lanitra, ny amin’ny momba ny tranon’ny Andriamanitry ny lanitra, mba tsy hiharan’ny fahatezerany amin’ny fanjakan’ny mpanjaka sy ny zanany.


Ny didy momba ny diloilo, momba ny diloilo iray bata: ampahafolon’ny bata isaky ny iray kora, izay mitovy amin’ny iray homera misy folo bata, fa folo bata no iray homera.


Asiana sira avokoa ny fanatitra aterinao; aza avela tsy hisy siran’ny fanekem-pihavanan’ny Andriamanitrao ny fanatitrao: hanolotra sira ao amin’ny fanatitrao rehetra ianao.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra