Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 17:9 - Baiboly Katolika

ka tsy mitondra ny sorona eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, hatolotra ho sorona ho an’i Iaveh, dia hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana hanatitra azy ho an’NY TOMPO dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ka tsy mitondra azy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana mba hatolotra ho an’ny TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka tsy mitondra azy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana mba hatolotra ho an’ny TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana hanatitra azy ho an’i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ka tsy mitondra azy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanatitra azy ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana hanatitra azy ho an’NY TOMPO dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny.

Jereo ny toko



Levitikosy 17:9
6 Rohy Ifampitohizana  

Manorena ôtely tany ho ahy, ka eo amboniny no hanoloranao ny sorona doranao, ny sorom-pihavananao, ny ondrinao sy ny ombinao. Hanatona anao sy hitahy anao Aho amin’ny toerana rehetra hanaovako izay hahatsiarovana ny Anarako.


Na zovy na zovy hanamboatra tahaka an’io na hanosotra izany amin’ny olona tsy fanosotra azy, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»


Raha biby vaventy no aterina ho sorona dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; ka eo anoloan’ny trano lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahina eo anatrehan’i Iaveh.


nefa tsy nitondra azy teo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’i Iaveh, eo anoloan’ny fonenan’i Iaveh, dia hahameloka azy izany, fa nandatsa-dra izy, ka hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany;


Izao koa no lazao amin’izy ireo: Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany hanatitra sorona dorana na fanatitra,


«Raha zanak’ondry no ateriny ho sorona, dia hatolony eo anatrehan’i Iaveh.