Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 17:9 - DIEM PROTESTANTA

9 ka tsy mitondra azy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana mba hatolotra ho an’ny TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana hanatitra azy ho an’NY TOMPO dia hesorina tsy ho amin’ny fireneny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 ka tsy mitondra azy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana mba hatolotra ho an’ny TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 ka tsy mitondra ny sorona eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, hatolotra ho sorona ho an’i Iaveh, dia hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana hanatitra azy ho an’i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 ka tsy mitondra azy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanatitra azy ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 17:9
6 Rohy Ifampitohizana  

Alitara tany no hataonareo ho Ahy, ary eo amboniny no hanoloranareo ho Ahy ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ho sorona dorana manontolo sy ho sorom-pihavanana. Ary Izaho dia ho tonga hitahy anareo amin’ny toerana rehetra izay anehoako ny fanatrehako.


Fa raha misy maka tahaka manamboatra mitovy aminy, ka manosotra azy amin’ny tenan’ny olon-tsotra, dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita izy.»


«Raha omby no atolotra ho sorona dorana manontolo, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolotra; eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana no hitondrany azy mba hankasitrahina eo anatrehan’ny TOMPO.


dia tsy maintsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana mba hanolorana azy ho fanatitra ho an’ny TOMPO eo anoloan’ny fonena-masin’ny TOMPO. Raha tsy izany no ataony, dia ho meloka ny amin’ny ram-biby nalatsany izy, ka hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.


«Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, manolotra biby hatao sorona dorana manontolo na sorona hafa,


Rehefa ondry no atolotra ho fanatitra, dia hoentina eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra