Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 17:8 - DIEM PROTESTANTA

8 «Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, manolotra biby hatao sorona dorana manontolo na sorona hafa,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary lazao aminy hoe: Na iza na iza amin’ny taranak’Israely na amin’ny vahiny izay monina eo aminareo no manolotra fanatitra dorana manontolo na fanatitra hafa alatsa-dra

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 «Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, manolotra biby hatao sorona dorana manontolo na sorona hafa,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Izao koa no lazao amin’izy ireo: Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany hanatitra sorona dorana na fanatitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary lazao aminy hoe: Na iza na iza amin’ny taranak’Isiraely, na amin’ny vahiny eo aminareo, no manatitra fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-dra,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary lazao aminy hoe: Na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminareo, no manatitra fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 17:8
16 Rohy Ifampitohizana  

Ary nanorina alitara tamin’io toerana io i Davida ka nanao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin’ny TOMPO. Dia niantran’ny TOMPO ilay tany; ka nitsahatra tsy namely an’i Israely intsony ny areti-mandringana.


«Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, mihinana ram-biby, na biby inona na biby inona, dia hohandriniko izany olona izany, ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.


dia tsy maintsy mitondra azy ho eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana mba hanolorana azy ho fanatitra ho an’ny TOMPO eo anoloan’ny fonena-masin’ny TOMPO. Raha tsy izany no ataony, dia ho meloka ny amin’ny ram-biby nalatsany izy, ka hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.


Ny sorona fanaon’ny Israelita dia tsy hatolony intsony ho an’ny fanahy ratsy miendrika osilahy, izay nanaovany fanompoan-tsampy. Lalàna raikitra ho azy ireo hatrany hatrany izany.


ka tsy mitondra azy eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana mba hatolotra ho an’ny TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy.


Rehefa ondry no atolotra ho fanatitra, dia hoentina eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO izany.


Fa manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana no hieken’ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako. Ary hatraiza hatraiza no handoroana sorona sy hanaovana fanatitra mendrika ny anarako. Eny, hiaiky ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Dia nampandrenesina ny Israelita sisa hoe: –Indro ny vatan-dehilahy taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary anisan’ny antsasa-pokon’i Manase nanorina alitara ao Gelilôta amoron’i Jôrdàna amin’ny sisin’ny tany Kanahàna, atỳ amin’ny lafiny misy antsika.


Dia tonga tany amin’ny taranak’i Reobena sy taranak’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase tany Gilehada ireo iraka ireo ka niresaka taminy


sady nampita izay voalazan’ny fiangonan’ny TOMPO tsivakivolo hoe: –Inona izao fahotana nataonareo tamin’Andriamanitr’i Israely izao? Nahoana ianareo no miala amin’ny fanarahana Azy TOMPO ankehitriny? Fa tamin’ny nanorenanareo alitara ho anareo, dia mikomy amin’ny TOMPO ianareo!


dia manangàna alitara voamboatra tsara ho an’ny TOMPO Andriamanitrao eo an-tampon’io havoana io. Ary ento ny ombilahin-drainao ka atolory ho sorona dorana manontolo eo; ka ny tsatokazon-tsampy nokapainao no ataovy kitay.


Tsy maintsy midina mialoha ahy any Gilgàla anefa ianao, ka ho tratrako tsy ho ela, any ny hanatrarako mba hanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana. Fito andro no hiandrasanao ahy ao; ka rehefa tonga aho, dia hambarako anao izay tokony hataonao.


Fa hoy i Samoela hoe: –Ahoana no hankanesako any? Fa raha fantatr’i Saoly izany, dia ho fatiny tokoa aho. Hoy kosa ny TOMPO taminy: –Mitondrà zanak’omby iray ianao, dia lazao fa hanatitra sorona ho AHY no nahatongavanao,


Naka zanak’ondry mbola minono i Samoela ka nanolotra izany ho sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO; dia nitalaho tamin’ny TOMPO ho an’ny vahoaka Israely izy, ary ny TOMPO namaly ny vavaka nataony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra