ny zava-manitra fandoro eo amin’ny fitoerana masina. Hotanterahiny avokoa izay rehetra nandidiako anao.»
Levitikosy 16:12 - Baiboly Katolika dia haka fanembohana feno vain’afo avy eo ambonin’ny ôtely, eo anatrehan’i Iaveh sy vovo-java-manitra eran-tanan-droa; ka hitondra izany zavatra izany mankao anatin’ny efitra lamba. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia haka vainafo eran’ny fitondrana afo avy amin’ny alitara eo anatrehan’NY TOMPO izy ary ditin-kazo manitra voatorotoro madinika eran’ny tanan-droa ka hoentiny miditra ao ambadiky ny efitra lamba izany. DIEM PROTESTANTA dia haka fanembohana nofenoina vain’afo avy amin’ilay alitara izay ao amin’ny Toeramasina sy haka vovoka ditin-kazo manitra eran-tanan-droa, ka hitondra izany rehetra izany ao anatin’ny Toeramasina Indrindra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia haka fanembohana nofenoina vain’afo avy amin’ilay alitara izay ao amin’ny Toeramasina sy haka vovoka ditin-kazo manitra eran-tanan-droa, ka hitondra izany rehetra izany ao anatin’ny Toeramasina Indrindra. Baiboly Protestanta Malagasy Dia haka vain’afo eran’ny fitondran-afo avy amin’ny alitara eo anatrehan’i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin’ny efitra lamba. Malagasy Bible Dia haka vain'afo eran'ny fitondran'afo avy amin'ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin'ny efitra lamba. La Bible en Malgache Dia haka vainafo eran’ny fitondrana afo avy amin’ny alitara eo anatrehan’NY TOMPO izy ary ditin-kazo manitra voatorotoro madinika eran’ny tanan-droa ka hoentiny miditra ao ambadiky ny efitra lamba izany. |
ny zava-manitra fandoro eo amin’ny fitoerana masina. Hotanterahiny avokoa izay rehetra nandidiako anao.»
Dia nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra fanembohana, vita araka ny fahaizana momba ny fanaovan-java-manitra.
Ary i Nadaba sy i Abiò, zanak’i Aarôna, samy naka ny fanembohany avy dia nanisy afo tao anatiny, sy nametraka zava-manitra teo amboniny, dia nitondra afo hafa teo anatrehan’i Iaveh, nefa tsy nahazo didy momba izany izy.
Dia samy naka ny fanembohany avy izy rehetra, ka nasiany afo tao anatiny, sy norarahany zava-manitra koa; dia nijanona teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana izy, mbamin’i Môizy sy i Aarôna.
I Jakôba, ampianariny ny fitsipikao, ary i Israely ny lalànao. Manolotra ny emboka manitra eo amin’ny vavoronao izy, sy ny sorona dorana eo ambonin’ny ôtelinao.
mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay, no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty, mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!
fa tamin’ilay faharoa kosa, dia ny mpisorom-be irery no niditra tao indray mandeha isan-taona, sady nitondra ra izay natolony noho ny hadisoan’ny tenany sy ny an’ny vahoaka koa.
Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.
Ary nalain’ilay Anjely ny fanembohana, nofenoiny afo avy teo ambony ôtely, dia nazerany tamin’ny tany, ka nisy feo aman-kotroka sy tsela-baratra, sady nihorohoro ny tany.