5 Ary nalain’ilay Anjely ny fanembohana, nofenoiny afo avy teo ambony ôtely, dia nazerany tamin’ny tany, ka nisy feo aman-kotroka sy tsela-baratra, sady nihorohoro ny tany.
5 Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin’ny afo teo amin’ny alitara ka nanipy izany tamin’ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohoron-tany.
5 Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin'ny afo teo amin'ny alitara ka nanipy izany tamin'ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany.
Ary hoy i Iaveh: «Mivoaha ianao, ka mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’i Iaveh, fa indro handalo i Iaveh.» Dia nisy rivotra be sady mahery, nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy, teo alohan’i Iaveh; nefa tsy tao amin’ny rivotra i Iaveh. Nanarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany, nefa tsy tao amin’ny horohoron-tany i Iaveh.
Ary indro fa amin’izay dia tampoka sy amin’ny indray mipy maso no hisavan’i Iavehn’ny tafika anao, amin-kotrokotroka, kotro-baratra, rohondrohona mafy, tadio, tafio-drivotra, ary lelafo mandevona.
I Iaveh hampiriadriatra ny feony miezinezina, ary hampiseho ny fiantèfan’ny sandriny, amin’ny firehitry ny hatezerany aman-delafo mandevona; amin’ny tafio-drivotra aman-dranonoram-baratra sy vato havandra.
Injany misy kotroka sy hahohaho avy any amin’ny tanàna, ary horakoraka avy ao an-tempoly! dia ny feon’i Iaveh, mandoa ny karaman’ireo fahavalony izany.
Ranito ny zana-tsipìka; misaròna ny ampinganareo! Efa nanetsika ny fanahin’ny mpanjakan’i Media i Iaveh; fa ny fiheviny an’i Babela dia ny handrava azy. Fa izany no valim-bonoana hataon’i Iaveh dia ny hamaliany noho ny amin’ny Tempoliny.
dia haka fanembohana feno vain’afo avy eo ambonin’ny ôtely, eo anatrehan’i Iaveh sy vovo-java-manitra eran-tanan-droa; ka hitondra izany zavatra izany mankao anatin’ny efitra lamba.
dia eo amin’ny lohasahan’ny tendrombohitro, no handosiranareo, fa hipaka hatrany Atsala ny lohasahan’ny tendrombohitro: toy ny nandosiranareo ny horohoron-tany, tamin’ny andron’i Osiasa, mpanjakan’i Jodà, no handosiranareo. Ary ho avy i Iaveh Andriamanitro, ary ny olo-masina rehetra hiaraka aminy.
Ho hita fa hitsangan-kiady amin’ny firenena ny firenena, ary amin’ny fanjakana ny fanjakana; hisy areti-mifindra sy mosary ary horohoron-tany amin’ny tany samihafa;
Niaraka tamin’izay dia nisy horohoron-tany mafy dia mafy, nanozongozona ny trano hatrany am-potony, ka nivoha tampoka ny varavarana rehetra, ary nivaha daholo ny fatoran’izy rehetra.
Nony avy nivavaka izy ireo, dia nihozongozona ny trano nivoriany, ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamin-kasahiana.
Ary tamin’izany ora izany, dia nisy horohoron-tany mafy, ka nirodana ny ampahafolon’ny tanàna, ary olona fito arivo no matin’izany horohoron-tany izany. Raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra ny Andriamanitry ny lanitra.
Dia novohaina ny Tempolin’Andriamanitra any an-danitra, ka niseho teo anatin’ny Tempoliny ny fiaran’ny fanekena; ary nisy tselatra sy tabataba ary kotro-baratra sy horohoron-tany mbamin’ny havandra vaventy.
Helatra sy feo aman-kotroka no nivoaka tamin’ilay seza fiandrianana, ary fanaovan-jiro fito mirehitra no teo anoloany, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra izany.
Nony nosokafany ny tombokase fahenina, dia hitako, fa indro nisy horohoron-tany mafy, ary ny masoandro tonga mainty toy ny akanjo malailay volom-biby; ny volana manontolo nanjary toy ny ra;