Levitikosy 16:12 - DIEM PROTESTANTA12 dia haka fanembohana nofenoina vain’afo avy amin’ilay alitara izay ao amin’ny Toeramasina sy haka vovoka ditin-kazo manitra eran-tanan-droa, ka hitondra izany rehetra izany ao anatin’ny Toeramasina Indrindra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201112 Dia haka vainafo eran’ny fitondrana afo avy amin’ny alitara eo anatrehan’NY TOMPO izy ary ditin-kazo manitra voatorotoro madinika eran’ny tanan-droa ka hoentiny miditra ao ambadiky ny efitra lamba izany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara12 dia haka fanembohana nofenoina vain’afo avy amin’ilay alitara izay ao amin’ny Toeramasina sy haka vovoka ditin-kazo manitra eran-tanan-droa, ka hitondra izany rehetra izany ao anatin’ny Toeramasina Indrindra. Jereo ny tokoBaiboly Katolika12 dia haka fanembohana feno vain’afo avy eo ambonin’ny ôtely, eo anatrehan’i Iaveh sy vovo-java-manitra eran-tanan-droa; ka hitondra izany zavatra izany mankao anatin’ny efitra lamba. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy12 Dia haka vain’afo eran’ny fitondran-afo avy amin’ny alitara eo anatrehan’i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin’ny efitra lamba. Jereo ny tokoMalagasy Bible12 Dia haka vain'afo eran'ny fitondran'afo avy amin'ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin'ny efitra lamba. Jereo ny toko |
vao mainka ny ran’i Kristy no hanadio ny fieritreretantsika; fa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay velona mandrakizay no nanoloran’i Kristy ny tenany ho sorona tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra; ka ny rany dia manadio ny fieritreretantsika ho afaka amin’ireo asa mitondra fahafatesana, mba hanompoantsika an’ilay Andriamanitra velona.