Dia fantatr’i Jodà ireo, ka hoy izy: «Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin’i Selà, zanako.» Ary tsy nahalala azy intsony izy.
Levitikosy 13:23 - Baiboly Katolika Fa raha nijanona amin’izay nisy azy ihany kosa ilay hodi-potsy fa tsy nanitatra, dia hola-pery izany, ka holazain’ny mpisorona hoe madio izy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa raha tsy mitombo ny mifaritra mangirana, ka tsy miitatra, dia holatry ny fery ihany ka hataon’ny mpisorona hoe madio. DIEM PROTESTANTA Raha tsy niova sady tsy nanitatra kosa ilay pentina, dia hola-pery ihany izany, ary hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha tsy niova sady tsy nanitatra kosa ilay pentina, dia hola-pery ihany izany, ary hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona. Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha tsy mitombo ny mifaritra mangirana, ka tsy manitatra, dia fahamaimaizana eo amin’ny fery izany; ary hataon’ny mpisorona hoe madio. Malagasy Bible Fa raha tsy mitombo ny faritra mangirana, ka tsy manitatra, dia fahamaimaizana eo amin'ny fery izany; ary hataon'ny mpisorona hoe madio. La Bible en Malgache Fa raha tsy mitombo ny mifaritra mangirana, ka tsy miitatra, dia holatry ny fery ihany ka hataon’ny mpisorona hoe madio. |
Dia fantatr’i Jodà ireo, ka hoy izy: «Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin’i Selà, zanako.» Ary tsy nahalala azy intsony izy.
Dia hoy i Davida tamin’i Natàna: «Nanota tamin’i Iaveh aho!» Fa hoy kosa i Natàna tamin’i Davida: «Navelan’i Iaveh ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
Izay manafina ny fahotany tsy mba hambinina; fa izay mitsotra sy mahafoy izany dia hahazo famindram-po.
Raha nanitatra eo amin’ny hoditra ilay hodi-potsy dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy, fa fery habokana izany.
Raha misy olona main’ny afo amin’ny vatany, amin’ny hodiny, ka misy hodi-potsy na fotsy somary mena miseho amin’ny faritra main’ny afo, dia hozahan’ny mpisorona izany.
Raha hitan’ny mpisorona kosa fa tsy fotsy ny volon-koditra eo amin’ny hodi-potsy, tsy latsaka ambany noho ny hoditra izy, sady efa nihamatromatroka, dia hotanany hitokan-toerana hafitoana izany olona izany. Hozahan’ny mpisorona indray izy amin’ny andro fahafito;
ka tsaroan’i Piera ny tenin’i Jesoa nanao hoe; «Alohan’ny maneno akoho, handà Ahy intelo ianao.» Dia nivoaka izy ka nitomany fatratra.
ka dia ny mamela sy mampifaly azy aza no tokony hataonareo izao, fandrao dia reraky ny alahelo tafahoatra indray izy.
Ry kristianina havana, raha misy olona azon-javatra tsy fidiny ka diso, dia aoka ianareo olona ara-panahy hananatra azy amin-kamoram-po, sy hitandrina fandrao mba azon’ny fakam-panahy koa.