Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 13:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Raha tsy niova sady tsy nanitatra kosa ilay pentina, dia hola-pery ihany izany, ary hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Fa raha tsy mitombo ny mifaritra mangirana, ka tsy miitatra, dia holatry ny fery ihany ka hataon’ny mpisorona hoe madio.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Raha tsy niova sady tsy nanitatra kosa ilay pentina, dia hola-pery ihany izany, ary hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Fa raha nijanona amin’izay nisy azy ihany kosa ilay hodi-potsy fa tsy nanitatra, dia hola-pery izany, ka holazain’ny mpisorona hoe madio izy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Fa raha tsy mitombo ny mifaritra mangirana, ka tsy manitatra, dia fahamaimaizana eo amin’ny fery izany; ary hataon’ny mpisorona hoe madio.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Fa raha tsy mitombo ny faritra mangirana, ka tsy manitatra, dia fahamaimaizana eo amin'ny fery izany; ary hataon'ny mpisorona hoe madio.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:23
13 Rohy Ifampitohizana  

Fantatr’i Joda ireo zavatra ireo ka hoy izy hoe: –Marina kokoa noho izaho i Tamara, satria tokony ho nomeko ho vadiny i Selà zanako lahy kanefa tsy nataoko izany. Dia tsy nandry tamin’i Tamara intsony i Joda.


Dia hoy i Davida tamin’i Natàna: –Nanota tamin’ny TOMPO aho. Ary hoy kosa i Natàna tamin’i Davida: –Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao.


Izay manafina ny fahotany tsy mba hahita fahombiazana, fa izay miaiky izany ka miala aminy no hahazo indrafo.


aorian’izany, raha nanitatra tokoa teo amin’ny hoditra ilay pentina, vao hambaran’ny mpisorona hoe maloto ilay olona fa habokana izany.


«Raha misy olona main’ny afo eo amin’ny hodiny ka iforonana pentina somary menamena na pentina fotsy mangirana eo amin’ny faritra may,


Raha voazahan’ny mpisorona kosa izy, ka hitany fa tsy mandoaka hoditra sady matromatroka ihany ilay pentina ary tsy misy hoditra sady matromatroka ihany ilay pentina ary tsy misy fotsy ny volo eo, dia hatokan’ny mpisorona toerana mandritra ny fito andro ilay olona.


ary tsaroan’i Petera ny teny voalazan’i Jesoa hoe: «Alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.» Dia lasa nankany ivelany i Petera ka nitomany fatratra.


ka dia aleo mamela heloka sy mankahery azy kosa ianareo, mba tsy hahatonga alahelo tafahoatra hampamoy fo azy.


Ry havana, raha misy olona sendra latsaka amin’ny hadisoana, dia aoka ianareo izay manana ny Fanahy Masina hanarina azy amim-pahalemem-panahy; ary aoka hitandrin-tena koa ianao fandrao voataona amin’ny ratsy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra