Levitikosy 10:15 - Baiboly Katolika Hoentin’izy ireo ho fanampin’ny sabora voatokana hodorana amin’ny afo, ny feny avahana sy ny tratrany ahevaheva, mba hahevaheva eo anatrehan’i Iaveh; dia ho anjaranao sy ny zanakao izany, noho ny lalàna tsy tapaka araka ny didin’i Iaveh.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny feny nalaina avy tamin’ny fanatitra sy ny tratrany natao fanatitra asandratra mbamin’ny jaborany izay fanatitra levonina amin’ny afo dia hoentiny mba hatao fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO. Ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo maharitra, araka izay nandidian’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Ny feny izay navahana manokana sy ny tratrany izay nahevaheva no fomba fanolorana azy dia entin’ny Israelita miaraka amin’ny tavin-kena izay hodorana amin’ny afo. Hahevaheva eo anatrehan’ny TOMPO ireo didin-kena ireo; avy eo dia ho anao sy ny zanakao. Anjara raikitra ho anareo hatrany hatrany ireo, araka ny baikon’ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny feny izay navahana manokana sy ny tratrany izay nahevaheva no fomba fanolorana azy dia entin’ny Israelita miaraka amin’ny tavin-kena izay hodorana amin’ny afo. Hahevaheva eo anatrehan’ny TOMPO ireo didin-kena ireo; avy eo dia ho anao sy ny zanakao. Anjara raikitra ho anareo hatrany hatrany ireo, araka ny baikon’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Ny sorony asandratra sy ny tratrany ahevaheva mbamin’ny saborany izay fanatitra atao amin’ny afo dia ho entiny mba hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Jehovah; dia ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo mandrakizay, araka izay nandidian’i Jehovah. Malagasy Bible Ny sorony asandratra sy ny tratrany ahevaheva mbamin'ny saborany izay fanatitra atao amin'ny afo dia ho entiny mba hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo mandrakizay, araka izay nandidian'i Jehovah. La Bible en Malgache Ny feny nalaina avy tamin’ny fanatitra sy ny tratrany natao fanatitra asandratra mbamin’ny jaborany izay fanatitra levonina amin’ny afo dia hoentiny mba hatao fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO. Ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo maharitra, araka izay nandidian’NY TOMPO. |
Tsy maintsy foràna avokoa ny lehilahy, na ny teraka ao an-trano, na ny novidim-bola, ka dia ho eo amin’ny nofonareo ny fanekeko, ho fanekena mandrakizay.
Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: «Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary i Sarà, vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!»
Homeko anao sy ny taranaka handimby anao ny tany izay ipetrahanao izao mbola vahiny izao, dia ny tany Kanaana manontolo hananany azy mandrakizay, ary Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo.»
Amin’ny ondralahy fanokanana, amin’izay anjaran’i Aarôna sy amin’izay anjaran’ny zanany, dia hohamasininao izay efa voahevaheva sy izay efa voasandratra, dia izao avy: ny tratra voahevaheva sy ny soroka voasandratra;
izany no anjaran’i Aarôna sy ny zanany, tsy maintsy hafoin’ny zanak’i Israely ho azy ireo mandrakizay; fa fanatitra voasandratra izany, ary ny zanak’i Israely tsy maintsy hanokana fanatitra avy amin’ny sorona fisaorana, fanatitra atokany ho an’i Iaveh.»
Izay sisa amin’ny fanatitra dia ho an’i Aarôna sy ny zanany; zava-masina dia masina amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh izany.»
Lalàna tsy tapaka hatrany amin’ny taranakareo izany. Na aiza na aiza honenanareo, aza mihinana sabora na ra akory.»
Fa efa natokako avy amin’ny sorom-pihavanan’ny zanak’i Israely, ny tratrany ahevaheva, sy ny sorona avahana, ka atolotra ho an’i Aarôna sy ny zanany ho anjara asain-kaloan’ny zanak’i Israely ho azy hatrany hatrany.
An’ny mpisorona ny fanatitra rehetra avahana amin’ny zava-masina aterin’ny zanak’i Israely amin’ny mpisorona;