Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 5:9 - Baiboly Katolika

9 An’ny mpisorona ny fanatitra rehetra avahana amin’ny zava-masina aterin’ny zanak’i Israely amin’ny mpisorona;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ary ny anjara rehetra alaina avy amin’ny zava-masina rehetra atolotry ny Zanak’Israely, izay atolony ho an’ny mpisorona, dia ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Ny fanatitra isan-karazany ataon’ny Israelita momba ny zava-masina izay arosony eo amin’ny mpisorona dia an’ny mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ny fanatitra isan-karazany ataon’ny Israelita momba ny zava-masina izay arosony eo amin’ny mpisorona dia an’ny mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary ny fanatitra rehetra alaina amin’ny zava-masina rehetra aterin’ny Zanak’Isiraely, izay ateriny ho an’ny mpisorona, dia ho azy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary ny fanatitra rehetra alaina amin'ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ary ny anjara rehetra alaina avy amin’ny zava-masina rehetra atolotry ny Zanak’Israely, izay atolony ho an’ny mpisorona, dia ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 5:9
19 Rohy Ifampitohizana  

izany no anjaran’i Aarôna sy ny zanany, tsy maintsy hafoin’ny zanak’i Israely ho azy ireo mandrakizay; fa fanatitra voasandratra izany, ary ny zanak’i Israely tsy maintsy hanokana fanatitra avy amin’ny sorona fisaorana, fanatitra atokany ho an’i Iaveh.»


Hano eo amin’ny fitoerana masina izany, fa anjaranao sy anjaran’ireo zanakao, avy amin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, araka ny didy azoko.


Eo amin’izay toerana madio koa no hihinananao sy ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ny tratrany nahevaheva sy ny feny navahana, fa ireo didiny ireo dia omena ho anjaranao sy anjaran’ny zanakao, avy amin’ny sorom-pihavanana ataon’ny zanak’i Israely.


Hoentin’izy ireo ho fanampin’ny sabora voatokana hodorana amin’ny afo, ny feny avahana sy ny tratrany ahevaheva, mba hahevaheva eo anatrehan’i Iaveh; dia ho anjaranao sy ny zanakao izany, noho ny lalàna tsy tapaka araka ny didin’i Iaveh.»


Omeo ny mpisorona koa ny feny ankavanana, ho fanatitra nalaina avy amin’ny sorom-pihavananareo.


Fa efa natokako avy amin’ny sorom-pihavanan’ny zanak’i Israely, ny tratrany ahevaheva, sy ny sorona avahana, ka atolotra ho an’i Aarôna sy ny zanany ho anjara asain-kaloan’ny zanak’i Israely ho azy hatrany hatrany.


Izay rehetra voaavaka avy amin’ny zavatra masina, izay avahan’ny zanak’i Israely ho an’i Iaveh, dia omeko anao sy ny zanako lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao, ho lalàna mandrakizay, fanekena voasira mandrakizay eo anatrehan’i Iaveh izany, ho aminao sy ny taranakao miaraka aminao.»


Dia nomen’i Môizy an’i Eleazara mpisorona ny anjara natokana ho an’i Iaveh, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Ary raha tsy manana solony io olona io, izay azo amerenana ny zavatra azo tamim-pahotana, dia ho an’i Iaveh izany zavatra izany, ho an’ny mpisorona, miaraka amin’ny ondralahy fanonerana, izay hanaovana ny fanonerana ho an’ilay meloka.


Fa ny fanatitra masina andidiana anao mbamin’izay nanaovanao voady, dia aloavy ary mankanesa amin’izay fitoerana nofidin’i Iaveh,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra