Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 5:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Ny fanatitra isan-karazany ataon’ny Israelita momba ny zava-masina izay arosony eo amin’ny mpisorona dia an’ny mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ary ny anjara rehetra alaina avy amin’ny zava-masina rehetra atolotry ny Zanak’Israely, izay atolony ho an’ny mpisorona, dia ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ny fanatitra isan-karazany ataon’ny Israelita momba ny zava-masina izay arosony eo amin’ny mpisorona dia an’ny mpisorona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 An’ny mpisorona ny fanatitra rehetra avahana amin’ny zava-masina aterin’ny zanak’i Israely amin’ny mpisorona;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary ny fanatitra rehetra alaina amin’ny zava-masina rehetra aterin’ny Zanak’Isiraely, izay ateriny ho an’ny mpisorona, dia ho azy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary ny fanatitra rehetra alaina amin'ny zava-masina rehetra aterin'ny Zanak'Isiraely, izay ateriny ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ary ny anjara rehetra alaina avy amin’ny zava-masina rehetra atolotry ny Zanak’Israely, izay atolony ho an’ny mpisorona, dia ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 5:9
19 Rohy Ifampitohizana  

Noho izany, rehefa manao sorom-pihavanana amiko ny Israelita rehetra, dia hanavaka ny soron-kena sy ny tratrany amin’ireo biby mba ho anjara raikitra ho an’i Aharôna sy ny taranany: zavatra avahana ho Ahy TOMPO izany.


Eo amin’ny faritra voatokana ho an’izany ihany no hihinananareo azy, fa anjaranao sy ny zanakao izany ambiny avy amin’ny fanatitra ho an’ny TOMPO izany araka ny baiko nomeny ahy.


Ireo didin-kena avy amin’ny sorom-pihavanana ataon’ny Israelita, izany hoe ny tratrany izay nahevaheva no fomba fanolorana azy sy ny feny izay navahana manokana, dia eo amina toerana madio no hihinananareo azy; ianao sy ny taranakao lahy ary ny taranakao vavy koa aza no hihinana azy fa nomena ho anjaranao sy ny taranakao ireo didin-kena ireo.


Ny feny izay navahana manokana sy ny tratrany izay nahevaheva no fomba fanolorana azy dia entin’ny Israelita miaraka amin’ny tavin-kena izay hodorana amin’ny afo. Hahevaheva eo anatrehan’ny TOMPO ireo didin-kena ireo; avy eo dia ho anao sy ny zanakao. Anjara raikitra ho anareo hatrany hatrany ireo, araka ny baikon’ny TOMPO.


Halainareo avy amin’ilay biby sorom-pihavanana kosa ny feny ankavanana, ka homenareo ny mpisorona:


satria alain’ny TOMPO avy amin’ny sorom-pihavanan’ny Israelita ny tratrany nahevaheva sy ny feny navahana, ka nomeny an’i Aharôna sy ireo taranany, mba ho anjara raikitra ho azy hatrany hatrany avy amin’ny Israelita.»


«Omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy izay fanatitra masina rehetra avahan’ny Israelita ho Ahy TOMPO. Ho anao sy ho an’ny taranakao dia ho fanekempihavanana maharitra sady tsy azo ovana izany eo anatrehako.»


Nomen’i Mosesy an’i Elehazara mpisorona ny hetra natao ho fanatitra ho an’ny TOMPO, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Raha tàhiny maty ilay tompon-javatra sady tsy manan-kavana akaiky hahazoana manonitra ilay zavatra, dia homena ny TOMPO io, izany hoe ho an’ny mpisorona; manginy fotsiny ny ondrilahy hatao sorom-panonerana ka hanaovana fombam-pivavahana famelan-keloka.


Kanefa ny zava-masinareo sy ny zavatra nataonareo voady dia ento mankany amin’ny toerana hofidin’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra