Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 5:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Raha tàhiny maty ilay tompon-javatra sady tsy manan-kavana akaiky hahazoana manonitra ilay zavatra, dia homena ny TOMPO io, izany hoe ho an’ny mpisorona; manginy fotsiny ny ondrilahy hatao sorom-panonerana ka hanaovana fombam-pivavahana famelan-keloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Fa raha toa ka tsy manana havana mpanavotra hanaterany ny fanonerana ny amin’ny fahadisoany ilay olona dia ho an’NY TOMPO ny zavatra naterina ho fanonerana ka ho an’ny mpisorona, ho fanampin’ny ondrilahy fanavotana izay hanaovan’ny mpisorona fanavotana ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Raha tàhiny maty ilay tompon-javatra sady tsy manan-kavana akaiky hahazoana manonitra ilay zavatra, dia homena ny TOMPO io, izany hoe ho an’ny mpisorona; manginy fotsiny ny ondrilahy hatao sorom-panonerana ka hanaovana fombam-pivavahana famelan-keloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Ary raha tsy manana solony io olona io, izay azo amerenana ny zavatra azo tamim-pahotana, dia ho an’i Iaveh izany zavatra izany, ho an’ny mpisorona, miaraka amin’ny ondralahy fanonerana, izay hanaovana ny fanonerana ho an’ilay meloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa raha tàhiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin’ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an’i Jehovah ka ho an’ny mpisorona, ho fanampin’ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa raha tàhiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin'ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an'i Jehovah ka ho an'ny mpisorona, ho fanampin'ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Fa raha toa ka tsy manana havana mpanavotra hanaterany ny fanonerana ny amin’ny fahadisoany ilay olona dia ho an’NY TOMPO ny zavatra naterina ho fanonerana ka ho an’ny mpisorona, ho fanampin’ny ondrilahy fanavotana izay hanaovan’ny mpisorona fanavotana ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 5:8
8 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nampamoahina ny mpanome karama ny mpiasa satria nahatoky tamin’ny fiasany.


Ny zavatra namonoany antoka ny Toeramasina dia honerany sady hampiany ny ampahadimin-tombany, ka homeny ny mpisorona. Ary rehefa voatolotry ny mpisorona ilay ondrilahy sorom-panonerana ka nataony tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


Harehitra tsy avela ho faty ny afo eo ambonin’ny alitara, fa hisy kitay hazo hatohoky ny mpisorona eo isa-maraina; dia halahany eo ambonin’ireo kitay ireo ny sorona dorana manontolo ary hodorany hanetona eo koa ny tavin-kenan’ny sorom-pihavanana.


Sahala amin’ny sorona fanalana ny ota ihany ny sorom-panonerana, ka lalàna iray no ho amin’izy roa: ho an’ilay mpisorona manao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ny henan-tsorona.


Tsy maintsy hiaiky ny fahotana nataony izy ka hanonitra amin’ny tompony izay zavatra nalainy, miampy ny ampahadimin’ny vidiny.


Ny fanatitra isan-karazany ataon’ny Israelita momba ny zava-masina izay arosony eo amin’ny mpisorona dia an’ny mpisorona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra