Levitikosy 10:14 - Baiboly Katolika14 Eo amin’izay toerana madio koa no hihinananao sy ny zanakao lahy aman-janakao vavy, ny tratrany nahevaheva sy ny feny navahana, fa ireo didiny ireo dia omena ho anjaranao sy anjaran’ny zanakao, avy amin’ny sorom-pihavanana ataon’ny zanak’i Israely. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201114 Ny tratrany natao fanatitra asandratra sy ny feny nalaina avy tamin’ny fanatitra koa dia hohaninareo eo amin’izay toerana madio, dia ianao mbamin’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin’ny fanati-pihavanana aterin’ny Zanak’Israely izany. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA14 Ireo didin-kena avy amin’ny sorom-pihavanana ataon’ny Israelita, izany hoe ny tratrany izay nahevaheva no fomba fanolorana azy sy ny feny izay navahana manokana, dia eo amina toerana madio no hihinananareo azy; ianao sy ny taranakao lahy ary ny taranakao vavy koa aza no hihinana azy fa nomena ho anjaranao sy ny taranakao ireo didin-kena ireo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara14 Ireo didin-kena avy amin’ny sorom-pihavanana ataon’ny Israelita, izany hoe ny tratrany izay nahevaheva no fomba fanolorana azy sy ny feny izay navahana manokana, dia eo amina toerana madio no hihinananareo azy; ianao sy ny taranakao lahy ary ny taranakao vavy koa aza no hihinana azy fa nomena ho anjaranao sy ny taranakao ireo didin-kena ireo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy14 Ary ny tratrany ahevaheva sy ny sorony asandratra hohaninareo eo amin’izay fitoerana madio, dia hianao mbamin’ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy koa; fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin’ny fanati-pihavanana aterin’ny Zanak’Isiraely. Jereo ny tokoMalagasy Bible14 Ary ny tratrany ahevaheva sy ny sorony asandratra hohaninareo eo amin'izay fitoerana madio, dia ianao mbamin'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy koa; fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin'ny fanati-pihavanana aterin'ny Zanak'Isiraely. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache14 Ny tratrany natao fanatitra asandratra sy ny feny nalaina avy tamin’ny fanatitra koa dia hohaninareo eo amin’izay toerana madio, dia ianao mbamin’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin’ny fanati-pihavanana aterin’ny Zanak’Israely izany. Jereo ny toko |
Dia hoy izy tamiko: «Ireo efitrano eo avaratra, sy efitrano eo atsimo manatrika ny fitoerana foana ireo, no efitranon’ny fitoerana masina, ihinanan’ny mpisorona manatona an’i Iaveh ny zava-masina indrindra; ao no ametrahany ny zavatra masina indrindra, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota sy noho ny fahadisoana, satria masina io fitoerana io.