Nony tonga teo amin’ny fitoerana natoron’Andriamanitra azy izy, dia naorin’i Abrahama teo ny ôtely; nalahany ny kitay hazo, ary nafatony i Isaaka zanany, ka napetrany tambonin’ny ôtely eo ambonin’ny kitay.
Levitikosy 1:7 - Baiboly Katolika Ary hanisy afo eo ambony ôtely ny zanak’i Aarôna mpisorona sy hanohoka kitay hazo eo ambonin’ny afo; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ireo zanak’i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin’ny alitara ka handahatra kitay eo amin’ny afo. DIEM PROTESTANTA fa ireo taranak’i Aharôna mpisorona kosa hanisy vainafo eo ambonin’ny alitara ka handahatra kitay eo ambonin’ny vainafo; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara fa ireo taranak’i Aharôna mpisorona kosa hanisy vainafo eo ambonin’ny alitara ka handahatra kitay eo ambonin’ny vainafo; Baiboly Protestanta Malagasy Ary ireo zanak’i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin’ny alitara ka handahatra kitay eo amin’ny afo. Malagasy Bible Ary ireo zanak'i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin'ny alitara ka handahatra kitay eo amin'ny afo. La Bible en Malgache Ary ireo zanak’i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin’ny alitara ka handahatra kitay eo amin’ny afo. |
Nony tonga teo amin’ny fitoerana natoron’Andriamanitra azy izy, dia naorin’i Abrahama teo ny ôtely; nalahany ny kitay hazo, ary nafatony i Isaaka zanany, ka napetrany tambonin’ny ôtely eo ambonin’ny kitay.
dia nalahany ny kitay hazo, noraisiny ny ombalahy, ka napetrany teo ambony kitay hazo.
Dia nanangana ôtely teo i Davida, ho an’i Iaveh, ary nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana. Izy niantso an’i Iaveh, ary i Iaveh namaly azy tamin’ny afo avy any an-danitra latsaka teo amin’ny ôtely nisy ny sorona dorana.
I Aarôna sy ny zanany anefa no nandoro ny sorona teo ambonin’ny ôtelin’ny sorona dorana, sy ny emboka teo ambonin’ny ôtelin’ny zava-manitra; izy ireo no tsy maintsy nanatanteraka ny raharaha ao amin’ny fitoerana masina indrindra, sy nanao fanonerana ho an’i Israely, araka izay nandidian’i Môizy, mpanompon’Andriamanitra.
Nony tapitra ny vavak’i Salômôna, dia nodoran’ny afo avy any an-danitra ny sorona dorana mbamin’ny sorona ary nameno ny trano ny voninahitr’i Iaveh.
Dia hangalan’ny mpisorona eran-tanana ila ny lafarina tsara indrindra mbamin’ny diloilo ao aminy miaraka amin’ny emboka rehetra eo ambonin’ny fanatitra, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely izany ho hanitra ankasitrahina, ho fahatsiarovana an’i Iaveh.
Ary nisy afo nivoaka avy eo anatrehan’i Iaveh nandevona ny sorona dorana mbamin’ny sabora teo ambonin’ny ôtely. Ary nahita izany daholo ny vahoaka rehetra, dia nihoby an-kafaliana sady rafitra niankohoka.
Aoka ny iray aminareo, handrindrina ny varavarana ahay, mba tsy handrehetanareo afo foana eo ambonin’ny ôteliko! Tsy mankasitraka anareo velively Aho, hoy i Iavehn’ny tafika; ary ny fanatitra avy amin’ny tananareo tsy misy ankasitrahiko.