ka nolazain’ny olona tamin’i Jôsoe hoe: «Hita miery ao anatin’ny zohy ao Makedà, ny mpanjaka dimy.»
Josoa 8:23 - Baiboly Katolika Nataony sambo-belona ny mpanjakan’i Haia, ka nentiny teo amin’i Jôsoe. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nataony sambo-belona ny mpanjakan’i Ay ka noentiny teo amin’i Josoa. DIEM PROTESTANTA afa-tsy ny mpanjakan’i Hay izay natao sambo-belona ary natolotra an’i Josoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara afa-tsy ny mpanjakan’i Hay izay natao sambo-belona ary natolotra an’i Josoa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny mpanjakan’i Ay nataony sambo-belona ka nentiny teo amin’i Josoa. Malagasy Bible Ary ny mpanjakan'i Ay nataony sambo-belona ka nentiny teo amin'i Josoa. La Bible en Malgache Ary nataony sambo-belona ny mpanjakan’i Ay ka noentiny teo amin’i Josoa. |
ka nolazain’ny olona tamin’i Jôsoe hoe: «Hita miery ao anatin’ny zohy ao Makedà, ny mpanjaka dimy.»
Dia hoy i Jôsoe: «Sokafy ny vava zohy, ka avoahy ao ireo mpanjaka dimy hoentina mankatỳ amiko.»
ry zareo kosa nivoaka tao an-tanàna hitsena azy ka tonga voalafatry ny Israelita ny mponina tao Haia, ny sasany avy ao andaniny iray, ny sasany koa avy ao ankilany iray; ka noresen’ny Israelita izy, ka tsy nasiany olona iray sisa velona na afa-nandositra.
Nony tapitra matin’i Israely ny mponina rehetra tao Haia, na teny an-tsaha, na tany an’efitra nanenjehany azy, ka efa lavon’ny lelan-tsabatra daholo hatramin’ny farany indrindra, dia niverina tao an-tanàna indray i Israely rehetra ka novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra ny olona tao.
Nasainy nahantona tamin’ny hazo anankiray ny mpanjakan’i Haia, ka navelany teo mandra-paharivan’ny andro. Nony maty ny masoandro dia nasain’i Jôsoe nesorina teo amin’ny hazo ny fatiny, ka natsipy tao am-bavahadin’ny tanàna, sy notsindriana antontam-bato lehibe izay mbola ao mandraka androany.
Voasambotra ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, izay nanao fahagagana teo anatrehany mba hoentiny mamitaka ireo nandray ny mariky ny Biby sy nivavaka tamin’ny sariny, ka indray natsipy velona tany amin’ny farihy mirehitra afon-tsolifara;
I Agaga mpanjakan’i Amaleka nataony sambo-belona, ary ny vahoaka rehetra nataony anatema tamin’ny lelan-tsabatra.