dia vetivety foana no nahombiazan’ny ratsy fanahy, ary mihelina ihany ny fifalian’ny tsy mivavaka.
Josoa 8:22 - Baiboly Katolika ry zareo kosa nivoaka tao an-tanàna hitsena azy ka tonga voalafatry ny Israelita ny mponina tao Haia, ny sasany avy ao andaniny iray, ny sasany koa avy ao ankilany iray; ka noresen’ny Israelita izy, ka tsy nasiany olona iray sisa velona na afa-nandositra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ireo tao an-tanàna koa dia niainga hamely azy ka latsaka teo afovoan’ny Israely ny olona, fa ny Israely sasany dia teo an-daniny iray ary ny sasany dia teo an-kilany; dia nifandafaran’ny Israely teo izy ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. DIEM PROTESTANTA Ny Israelita tafiditra tao an-tanàna moa nivoaka hamely azy koa, hany ka latsaka teo afovoan’ny Israelita roa tonta ireo lehilahin’i Hay; nasian’ny Israelita ry zareo ka tsy nisy afa-nandositra, ary tsy nisy niangana velona Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny Israelita tafiditra tao an-tanàna moa nivoaka hamely azy koa, hany ka latsaka teo afovoan’ny Israelita roa tonta ireo lehilahin’i Hay; nasian’ny Israelita ry zareo ka tsy nisy afa-nandositra, ary tsy nisy niangana velona Baiboly Protestanta Malagasy Ary ireo tao an-tanàna nivoaka hamely azy, ka dia latsaka teo afovoan’ny Isiraely ny olona, fa ny Isiraely sasany teo an-daniny iray, ary ny sasany teo an-daniny iray koa; dia nifandafaran’ny Isiraely teo izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. Malagasy Bible Ary ireo tao an-tanàna nivoaka hamely azy, ka dia latsaka teo afovoan'ny Isiraely ny olona, fa ny Isiraely sasany teo an-daniny iray, ary ny sasany teo an-daniny iray koa; dia nifandafaran'ny Isiraely teo izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. La Bible en Malgache Ary ireo tao an-tanàna koa dia niainga hamely azy ka latsaka teo afovoan’ny Israely ny olona, fa ny Israely sasany dia teo an-daniny iray ary ny sasany dia teo an-kilany; dia nifandafaran’ny Israely teo izy ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. |
dia vetivety foana no nahombiazan’ny ratsy fanahy, ary mihelina ihany ny fifalian’ny tsy mivavaka.
ka ho efa voatolotr’i Iaveh Andriamanitrao anao, sy resinao ireny dia ataovy anatema, fa aza anaovanao fanekena akory izy ireo, na anananao antra.
Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe: Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany! Iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohoka, ka tsy ho afa-mandositra izy.
Afak’i Jôsoe androtr’izay ihany koa i Makedà, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany, ary naringany nataony anatema ny tanàna mbamin’ny manana aina rehetra tao, fa tsy nasiany niangana na dia iray aza, ary tahaka ny nanaovany ny mpanjakan’i Jerikô no nanaovany ny mpanjakan’i Makedà koa.
Nony azo ny tanàna dia natolotra ho anatema tamin’ny lelan-tsabatra avokoa izay rehetra tao amin’ny tanàna, na lahy na vavy, na tanora na antitra, ary na dia hatramin’ny omby aman’ondry sy ny ampondra aza.
Ary nony hitan’i Jôsoe sy i Israely rehetra ity tanàna efa azon’ny otrika, sy ny setroka nisavoana, dia nifotitra izy ka namely ny mponina tao Haia;
Ary rehefa azonareo izy dia doroy, ataovy araka ny tenin’i Iaveh. Indro efa nomeko didy ianareo izao.»