Nifindra avy eo izy ho any amin’ny tendrombohitra ao atsinanan’i Betela, dia niorin-day izy, ka i Betela teo andrefany ary i Hay teo atsinanany. Ary nanorina ôtely ho an’i Iaveh izy teo, ka niantso ny anaran’i Iaveh.
Josoa 8:12 - Baiboly Katolika Dia naka lehilahy sahabo ho dimy arivo i Jôsoe, napetrany ho otrika eo anelanelan’i Betela sy i Haia, teo andrefan-tanàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanao vela-pandrika teo anelanelan’i Betela sy i Ay, andrefan’ny tanàna. DIEM PROTESTANTA Efa nifantina tokony ho dimy arivo lahy moa i Josoa ka nametraka azy hamitsaka teo andrefan’ny tanàna, teo anelanelan’i Betela sy i Hay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Efa nifantina tokony ho dimy arivo lahy moa i Josoa ka nametraka azy hamitsaka teo andrefan’ny tanàna, teo anelanelan’i Betela sy i Hay. Baiboly Protestanta Malagasy Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan’i Betela sy Ay, andrefan’ny tanàna. Malagasy Bible Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan'i Betela sy Ay, andrefan'ny tanàna. La Bible en Malgache Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanao vela-pandrika teo anelanelan’i Betela sy i Ay, andrefan’ny tanàna. |
Nifindra avy eo izy ho any amin’ny tendrombohitra ao atsinanan’i Betela, dia niorin-day izy, ka i Betela teo andrefany ary i Hay teo atsinanany. Ary nanorina ôtely ho an’i Iaveh izy teo, ka niantso ny anaran’i Iaveh.
Nataony hoe Betela no anaran’io fitoerana io. Loza anefa no anaran’ny tanàna tany aloha.
Niakatra sy nanatona tao avokoa ny lehilahy mpiantafika rehetra teo aminy; nony tonga teo an-tandrifin’i Haia izy, dia nitoby teo avara-tanàna, ka ny lohasaha no nanelanelana azy sy i Haia.
Nony voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra teo avara-tanàna, sy ny otrika teo andrefan-tanàna dia nandroso eo am-pamatonan-dohasaha iny alina iny ihany i Jôsoe.
Dia nandroso i Saola hatrany amin’ny tanànan’i Amaleka ary nametraka otrika tao amin’ny lohasaha.