Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 8:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Efa nifantina tokony ho dimy arivo lahy moa i Josoa ka nametraka azy hamitsaka teo andrefan’ny tanàna, teo anelanelan’i Betela sy i Hay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanao vela-pandrika teo anelanelan’i Betela sy i Ay, andrefan’ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Efa nifantina tokony ho dimy arivo lahy moa i Josoa ka nametraka azy hamitsaka teo andrefan’ny tanàna, teo anelanelan’i Betela sy i Hay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Dia naka lehilahy sahabo ho dimy arivo i Jôsoe, napetrany ho otrika eo anelanelan’i Betela sy i Haia, teo andrefan-tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan’i Betela sy Ay, andrefan’ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan'i Betela sy Ay, andrefan'ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanao vela-pandrika teo anelanelan’i Betela sy i Ay, andrefan’ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 8:12
7 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo izy dia niainga ho any amin’ny faritra be havoana any atsinanan’i Betela, ary nanorina ny lainy teo anelanelan’i Betela tao andrefana sy i Hay tao atsinanana. Nanorina alitara iray ho an’ny TOMPO teo koa izy ka nivavaka sady niantso an’Andriamanitra hoe TOMPO.


Dia nantsoiny hoe Betela na hoe tranon’Andriamanitra io toerana io, fa Lozy no anaran’izany tanàna izany taloha.


Ny miaramila rehetra izay niaraka tamin’i Josoa dia niakatra ka tonga teo amin’ny tandrifin’ny tanàna; ary nitoby teo avaratr’i Hay ireo ka lohasaha no nanelanelana azy amin’ny tanàna.


Ny tafika ankapobeny dia nitoby tao avaratry ny tanàna ary ny andiany sasany kosa tao andrefana, fa i Josoa nandany ny alina tao an-dohasaha.


Ny taranak’i Efraîma sy i Manase zanakalahin’i Jôsefa kosa dia niakatra nanafika an’i Betela ary nombàn’ny TOMPO.


Dia nandroso hatrany amin’ny tanànan’ny Hamalekita i Saoly ary nanotrika ady am-pitaka tao an-dohasaha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra