Nifoha maraina koa i Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany, naka roa lahy tamin’ny mpanompony hiaraka aminy, sy i Isaaka zanany, ary namaky ny hazo hataina amin’ny sorona dorana, dia niainga nankany amin’ny tany efa nolazain’Andriamanitra azy.
Josoa 8:10 - Baiboly Katolika Dia nifoha maraina koa i Jôsoe, ka nony efa nijery ny toetry ny vahoaka, dia nandroso izy mbamin’ny loholon’i Israely, nitarika ny vahoaka hamely an’i Haia. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nifoha vao maraina i Josoa ka nandamina ny vahoaka dia niakatra teo alohan’ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon’ny Israely. DIEM PROTESTANTA Nony ampitso dia nifoha vao maraina be i Josoa ka nisafo ny tafika; avy eo dia nitarika azy hiakatra hamely an’i Hay izy sy ny loholon’i Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony ampitso dia nifoha vao maraina be i Josoa ka nisafo ny tafika; avy eo dia nitarika azy hiakatra hamely an’i Hay izy sy ny loholon’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nifoha maraina koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan’ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon’ny Isiraely. Malagasy Bible Dia nifoha maraina koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan'ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon'ny Isiraely. La Bible en Malgache Ary nifoha vao maraina i Josoa ka nandamina ny vahoaka dia niakatra teo alohan’ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon’ny Israely. |
Nifoha maraina koa i Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany, naka roa lahy tamin’ny mpanompony hiaraka aminy, sy i Isaaka zanany, ary namaky ny hazo hataina amin’ny sorona dorana, dia niainga nankany amin’ny tany efa nolazain’Andriamanitra azy.
Dia nifoha maraina koa i Jôsoe, ka niala tany Setima izy mbamin’ny zanak’i Israely rehetra; nony tonga tao Jordany izy ireo dia nijanona teo, alohan’ny hitana azy.
Nony ampitso nifoha vao maraina koa i Jôsoe, dia nampanatona an’i Israely isam-pokony, ka ny fokon’i Jodà no voatana.
Niakatra sy nanatona tao avokoa ny lehilahy mpiantafika rehetra teo aminy; nony tonga teo an-tandrifin’i Haia izy, dia nitoby teo avara-tanàna, ka ny lohasaha no nanelanelana azy sy i Haia.
Dia nalefan’i Jôsoe izy ireo ka lasa naka toerana hiotrika tao anelanelan’i Betela sy i Haia, tao andrefan’i Haia. Ary i Jôsoe kosa nitoetra teo amin’ny vahoaka ihany tamin’iny alina iny.