Dia nataony hoe Sibea ny anaran’ny fantsakana, Izany no nanaovana ny anaran’ny tanàna hoe Bersabea mandraka androany.
Josoa 4:9 - Baiboly Katolika Nanangana vato roa ambin’ny folo i Jôsoe, teo afovoan’i Jordany, teo amin’ilay toerana nijanonan’ny tongotry ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny fanekena; ka nipetraka tao mandrak’androany izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Vato roa amby folo no natsangan’i Josoa tao Jordana, teo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny Fanekena ary mbola ao ihany ireny mandraka androany. DIEM PROTESTANTA Ary i Josoa dia nampanangana vato 12 ihany koa teo afovoan’i Jôrdàna, teo amin’ny toerana izay nijoroan’ny mpisorona nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana; ary mbola ao ihany ireo vato ireo mandraka androany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary i Josoa dia nampanangana vato 12 ihany koa teo afovoan’i Jôrdàna, teo amin’ny toerana izay nijoroan’ny mpisorona nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana; ary mbola ao ihany ireo vato ireo mandraka androany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary vato roa ambin’ny folo no natsangan’i Josoa teo Jordana, teo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka andro-any. Malagasy Bible Ary vato roa ambin'ny folo no natsangan'i Josoa teo Jordana, teo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany. La Bible en Malgache Vato roa amby folo no natsangan’i Josoa tao Jordana, teo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny Fanekena ary mbola ao ihany ireny mandraka androany. |
Dia nataony hoe Sibea ny anaran’ny fantsakana, Izany no nanaovana ny anaran’ny tanàna hoe Bersabea mandraka androany.
Nifoha maraina koa izy, dia nalainy ilay vato nataony ondana, naoriny nataony tsangam-bato ka norotsahany diloilo ny tampony.
Naka vato 12 i Elia, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Jakôba, ilay niharan’ny tenin’i Iaveh hoe: «I Israely no ho anaranao.»
Lava be ny bao, ka hita ny lohany, raha eo anoloan’ny fitoerana masina lavidavitry ny fiara, fa raha any ivelany no tsy tazana izy. Dia tao mandrak’androany ny fiara.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Miakara atỳ amiko eto an-tendrombohitra ka mijanòna eo, fa homeko anao ny vato fisaka, ny didy aman-dalàna nosoratako hampianarina azy ireo.»
Hifanisa amin’ny anaran’ny zanak’i Israely ny vatosoa, dia roa ambin’ny folo araka ny anaran’izy ireo; ho voasikotra toy ny fanombohan-kase, samy misy ny anarany avy araka ny foko roa ambin’ny folo.
Dia nandray ny vola ny miaramila, ka nanao araka ny teny nomeny azy. Ary izany teny naelin’izy ireo izany no mbola inoan’ny Jody mandraka androany.
Ary nalevina teo an-dohasaha, amin’ny tanin’i Moaba, tandrifin’i Bety-Fogôra izy. Ary tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
Nosoratan’i Jôsoe tamin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra ireo teny ireo. Naka vato lehibe izy, ka natsangany teo ambanin’ny oaka, teo amin’ny fitoerana voatokana ho an’i Iaveh.
Nijanona teo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiara, mandra-pahatanteraky ny zavatra nasain’i Iaveh nolazain’i Jôsoe tamin’ny vahoaka, araka izay rehetra nandidian’i Môizy an’i Jôsoe; dia nita faingana ny olona.
Any amin’ny tanin’ny Heteanina no nalehan-dralehilahy, dia nanorina tanàna izy, nomeny anarana hoe Lozy, mbola anarany mandraka androany izany.
Dia natao araka izany hatramin’izay andro izay ka atỳ aoriana, dia nataon’i Davida lalàna sy fitsipika izany mandraka androany.
Naka vato i Samoela napetrany teo anelanelan’i Masfà sy i Sena, ary nomeny anarana hoe Eben-Ezera, fa hoy izy: «Efa novonjen’i Iaveh isika hatramin’izao.»