Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 4:9 - Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary vato roa ambin’ny folo no natsangan’i Josoa teo Jordana, teo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka andro-any.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Vato roa amby folo no natsangan’i Josoa tao Jordana, teo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny Fanekena ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Ary i Josoa dia nampanangana vato 12 ihany koa teo afovoan’i Jôrdàna, teo amin’ny toerana izay nijoroan’ny mpisorona nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana; ary mbola ao ihany ireo vato ireo mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ary i Josoa dia nampanangana vato 12 ihany koa teo afovoan’i Jôrdàna, teo amin’ny toerana izay nijoroan’ny mpisorona nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanana; ary mbola ao ihany ireo vato ireo mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Nanangana vato roa ambin’ny folo i Jôsoe, teo afovoan’i Jordany, teo amin’ilay toerana nijanonan’ny tongotry ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny fanekena; ka nipetraka tao mandrak’androany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary vato roa ambin'ny folo no natsangan'i Josoa teo Jordana, teo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 4:9
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanao ny anarany hoe Sheba izy; izany no nanaovana ny anaran’ny tanàna hoe Beri-sheba mandraka andro-any.


Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy.


ary ny Berotita nandositra nankany Gitaima, dia nivahiny tany mandraka andro-any).


ka naka vato roa ambin’ny folo, araka ny isan’ny firenen’ny zanak’i Jakoba, izay nihavian’ilay tenin’i Jehovah hoe: Isiraely no ho anaranao;


Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha eo amin’ny fiara eo anoloan’ny efitra anatiny, nefa tsy hita eny ivelany; ary mbola ao mandraka andro-any izy.


Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny làlana sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy.


Ary ny vato dia alaharo araka ny anaran’ny Zanak’Isiraely, dia roa ambin’ny folo araka ny anarany; ary hisy soratra toy ny amin’ny fanombohan-kase, ho amin’ny firenena roa ambin’ny folo araka ny anarany avy.


Koa izany no anaovana ny anaran’izany saha izany mandraka andro-any hoe Sahan-dra.


Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin’ny Jiosy mandraka andro-any.


Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin’ny tany Moaba, tandrifin’i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka andro-any.


Dia nosoratan’i Josoa tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra ireo teny ireo, ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin’ny hazo terebinta, izay teo anilan’ny fitoera-masin’i Jehovah.


Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan’i Jordana mandra-pahavitan’ny zavatra rehetra izay nandidian’i Jehovah an’i Josoa holazaina amin’ny olona, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy an’i Josoa; dia nita faingana ny olona.


Ary nandeha ho any amin’ny tanin’ny Hetita ralehilahy, ka nanorina tanàna izy, ary ny anarany dia nataony hoe Lozy, ary mbola izany ihany no anarany mandraka andro-any.


Dia izany no fanao hatramin’izany andro izany, ka dia natao didy sy lalàna tamin’ny Isiraely izany ambaraka andro-any.


Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan’i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen’i Jehovah isika hatramin’izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra