Nitsoaka tsy ho ambanin’ny fanapahan’i Jodà intsony i Edôma, mandrak’androany. Tamin’izany fotoana izany ihany koa, no nitsoaka ho afaka i Lobnà.
Josoa 21:13 - Baiboly Katolika Ny taranak’i Aarôna mpisorona dia nomeny ny tanàna fialofan’ny mamono olona, dia i Hebrôna sy ny manodidina azy, ary koa i Lebnà sy ny manodidina azy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nomeny ny taranak’i Arona mpisorona i Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, nanampiny azy i Libna sy ny tany manodidina azy, DIEM PROTESTANTA Miaraka amin’i Hebrôna, izay tanàna fialofan’ny mpamono olona tsy nahy, dia natolotra ny taranak’i Aharôna koa i Libnà, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Miaraka amin’i Hebrôna, izay tanàna fialofan’ny mpamono olona tsy nahy, dia natolotra ny taranak’i Aharôna koa i Libnà, Baiboly Protestanta Malagasy Dia nomeny ny taranak’i Arona mpisorona Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an’izay nahafaty olona, ary Libna sy ny tany manodidina azy Malagasy Bible Dia nomeny ny taranak'i Arona mpisorona Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Libna sy ny tany manodidina azy La Bible en Malgache Nomeny ny taranak’i Arona mpisorona i Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, nanampiny azy i Libna sy ny tany manodidina azy, |
Nitsoaka tsy ho ambanin’ny fanapahan’i Jodà intsony i Edôma, mandrak’androany. Tamin’izany fotoana izany ihany koa, no nitsoaka ho afaka i Lobnà.
Dia niverina ny lehiben’ny mpandroso divay ka nahita ny mpanjakan’i Asiria, nanao fahirano an’i Lobnà; efa reny ny nialan’ny tompony tany Lakisa.
«Ary ny tanàna homenareo ny Levita, dia ny tanàna fialofana 6, izay halaminareo handosiran’izay nahafaty olona; ary fanampin’izany dia homenareo tanàna hafa 42 koa izy,
Niala tao Makedà i Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia nankany Lebnà, ary namely an’i Lebnà izy.
i Atmatà, i Kariat-Arbe, dia i Hebrôna izany, ary i Siôra: tanàna sivy, ary ny zana-bohiny.
Ny natokany dia i Kadesy any Galilea amin’ny tendrombohitr’i Neftalì; i Sikema amin’ny tendrombohitr’i Efraima, ary i Kariat-Arbe, dia i Hebrôna izany, amin’ny tendrombohitr’i Jodà.
Fa ny saha momba izany tanàna izany sy ny zana-bohiny kosa anefa dia nomeny an’i Kaleba, zanak’i Jefone, ho fananany.