Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 16:4 - Baiboly Katolika

Izany no lova noraisin’ny taranak’i Josefa, dia i Manase sy i Efraima.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nandray ny lovany i Manase sy i Efraima, taranak’i Josefa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ireo taranak’i Jôsefa, izany hoe ny fokon-dry i Manase sy i Efraîma, no nandova izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ireo taranak’i Jôsefa, izany hoe ny fokon-dry i Manase sy i Efraîma, no nandova izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia azon’i Manase sy Efraima, taranak’i Josefa, ny lovany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia azon'i Manase sy Efraima, taranak'i Josefa, ny lovany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nandray ny lovany i Manase sy i Efraima, taranak’i Josefa.

Jereo ny toko



Josoa 16:4
6 Rohy Ifampitohizana  

ary ny zandriny nataony hoe Efraima, fa hoy izy: «Efa nampitombo ahy Andriamanitra aty amin’ny tany nijaliako.»


Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Lohasaha iray no ho faritry ny tany horaisinareo ho zarataninareo araka ny foko 12 amin’i Israely; anjaran-droa no ho an’i Josefa.


Fa mizara ho foko roa ny taranak’i Josefa dia i Manase sy i Efraima, fa tsy mba nomena anjara tamin’ny tany ny Levita afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ho an’ny biby ompiany sy ny fananany.


Izao no faritry ny tanin’ny taranak’i Efraima araka ny fianakaviany: ny faritry ny lovany dia izao: amin’ny atsinanana, Ataret-Adara hatrany Betôrôna ambony.


Ary niteny tamin’i Jôsoe, ny taranak’i Josefa ka nanao hoe: «Efa tonga vahoaka be izahay izao, ary notahin’i Iaveh mandraka androany izahay, ka nahoana no dia loka iray sy anjara iray ihany no nomenao anay?»


Hozarainy fito toko ny tany; i Jodà hitoetra amin’ny faritaniny ao atsimo, ary ny taranak’i Josefa hitoetra amin’ny faritaniny ao avaratra.