Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 17:14 - Baiboly Katolika

14 Ary niteny tamin’i Jôsoe, ny taranak’i Josefa ka nanao hoe: «Efa tonga vahoaka be izahay izao, ary notahin’i Iaveh mandraka androany izahay, ka nahoana no dia loka iray sy anjara iray ihany no nomenao anay?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Niteny tamin’i Josoa indray ny taranak’i Josefa hoe: Nahoana no lova iray sy anjara iray ihany no nomenao ahy, kanefa efa tonga firenena lehibe aho, fa notahìn’NY TOMPO toy izao mandraka ankehitriny?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Ary nitaraina tamin’i Josoa ny taranak’i Jôsefa nanao hoe: –Nahoana no anjara iray ihany tamin’ny antsapaka no mba nomenao anay, kanefa izahay efa tonga vahoaka marobe araka izay nitahian’ny TOMPO anay?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Ary nitaraina tamin’i Josoa ny taranak’i Jôsefa nanao hoe: –Nahoana no anjara iray ihany tamin’ny antsapaka no mba nomenao anay, kanefa izahay efa tonga vahoaka marobe araka izay nitahian’ny TOMPO anay?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Dia niteny tamin’i Josoa ny taranak’i Josefa ka nanao hoe: Nahoana no lova iray sy anjara iray ihany no nomenao ahy, kanefa aho efa tonga firenena lehibe, fa notahin’i Jehovah toy izao mandraka ankehitriny?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Dia niteny tamin'i Josoa ny taranak'i Josefa ka nanao hoe: Nahoana no lova iray sy anjara iray ihany no nomenao ahy, kanefa aho efa tonga firenena lehibe, fa notahin'Jehovah toy izao mandraka ankehitriny ?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Niteny tamin’i Josoa indray ny taranak’i Josefa hoe: Nahoana no lova iray sy anjara iray ihany no nomenao ahy, kanefa efa tonga firenena lehibe aho, fa notahìn’NY TOMPO toy izao mandraka ankehitriny?

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 17:14
12 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nety anefa i rainy fa hoy izy: «Fantatro ihany anaka. Ho tonga firenena koa izy, ho tonga lehibe koa izy, kanefa ho lehibe noho izy ny zandriny, ary ho tonga firenena maro ny taranany.»


Dia nitso-drano azy ireo izy, tamin’izany andro izany, ka nanao hoe: «Aminao no hitsofan’i Israely rano, hoe: ‹Hataon’Andriamanitra tahaka an’i Efraima sy i Manase anie ianao.› » Toy izany no nanaovany an’i Efraima ho alohan’i Manase.


Ary omeko ho tombon-dahinao amin’ireo rahalahinao ny zaratany anankiray, izay nalaiko tamin’ny sabatro sy ny tsipìkako, teo an-tanan’ny Amôreana.»


Manolotra ny sisin-tanin’i Manase, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Efraima.


Igala zanak’i Josefa, avy amin’ny fokon’i Isakara;


Ny maro isa homenao ny zaratany bebe kokoa, ny vitsy isa kosa homenao anjara kelikely kokoa, ka dia samy homena ny anjara lovany araka izay voaisa aminy izy.


nanambady teo amin’ny fianakavian’ny zanak’i Manase zanak’i Josefa izy ireo, ka dia nipetraka tamin’ny fokom-pianakavian-drainy ny lovany.


Izany no lova noraisin’ny taranak’i Josefa, dia i Manase sy i Efraima.


Dia hoy i Jôsoe taminy: «Raha vahoaka be àry ianareo miakara any an’ala, ka miteveza any amin’ny tanin’ny Ferezeanina sy ny Refaima honenanareo, rehefa ety tsy omby anareo ny tendrombohitr’i Efraima.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra