Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 15:1 - Baiboly Katolika

Ny anjara lasan’ny fokon-taranak’i Jodà, araka ny fianakaviany, tamin’ny filokana, dia nitatra hatrany amin’ny faritanin’i Edôma hatrany amin’ny efitra Sina any atsimo any amin’ny farany atsimo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no anjaran’ny foko taranak’i Joda tamin’ny antsapaka araka ny fianakaviany: Hatrany amin’ny sisintanin’i Edoma, dia ny tany efitra Zina atsimo, izay faran’ny faritany atsimo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izao no zaratany azon’ny foko taranak’i Joda tamin’ny antsapaka mba ho an’ireo tarika ao anatiny. Nitatra hatrany amin’ny sisin-tanin’i Edôma izany; ary ny taniefitr’i Tsina, any Negeba, no farany atsimo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izao no zaratany azon’ny foko taranak’i Joda tamin’ny antsapaka mba ho an’ireo tarika ao anatiny. Nitatra hatrany amin’ny sisin-tanin’i Edôma izany; ary ny taniefitr’i Tsina, any Negeba, no farany atsimo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY izao no anjaran’ny firenena taranak’i Joda tamin’ny filokana araka ny fokony: hatramin’ny fari-tanin’i Edoma, dia ny efitra Zina atsimo, izay faran’ny fari-tany atsimo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary izao no anjaran'ny firenena taranak'i Joda tamin'ny filokana araka ny fokony: hatramin'ny fari-tanin'i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran'ny faritany atsimo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no anjaran’ny foko taranak’i Joda tamin’ny antsapaka araka ny fianakaviany: Hatrany amin’ny sisintanin’i Edoma, dia ny tany efitra Zina atsimo, izay faran’ny faritany atsimo.

Jereo ny toko



Josoa 15:1
13 Rohy Ifampitohizana  

Zanak’i Lià: Robena, lahimatoan’i Jakôba, Simeôna, Levi, Jodà, Isakara ary Zabolôna.


Tamin’izany andro izany, i Salômôna sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia olona zavon-tany avy hatrany amin’ny vava lalan’i Emata, ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta, dia nankalaza ny fety teo anatrehan’i Iaveh Andriamanitsika nandritra ny fito andro, ary fito andro koa indray, dia 14 andro.


Ny lafiny atsimo handroso mianatsimo hatrany Tamara ka hatrany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesa, dia ny lohasahan-driaka mivarina mankany amin’ny ranomasina lehibe. Izany no lafiny atsimo mankany amin’ny Negeba.


Manolotra ny sisin-tanin-dRobena hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Jodà.


Dia nitaraina tamin’i Iaveh izahay, ary nihaino ny feonay Izy; naniraka Anjely Izy ary nitondra anay nivoaka tany Ejipta. Ary indreto izahay izao dia eto Kadesy, tanàna amin’ny faritry ny taninao.


Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema, sy tany Idomea, sy tany an-dafin’i Jordany, ary tamin’ny tany manodidina an’i Tira sy Sidona no nankeo aminy nony nandre ny nataony.


satria nanota tamiko teo afovoan’ny zanak’i Israely ianareo, tao amin’ny ranon’i Meribà any Kadesy, amin’ny efitra Sina, ka tsy nankamasina Ahy, teo afovoan’ny zanak’i Israely.


Filokana no nahazoany ny lovany, araka ny nandidian’i Iaveh ho an’ny foko sivy sy ny antsasa-poko;


Ny faritry ny taniny amin’ny atsimo dia niantomboka avy amin’ny faran’ny Ranomasin-tSira dia amin’ny tendrony mitodika atsimo,


Hozarainy fito toko ny tany; i Jodà hitoetra amin’ny faritaniny ao atsimo, ary ny taranak’i Josefa hitoetra amin’ny faritaniny ao avaratra.