Ny taranaky ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nonina tamin’ny tany hatrany Basàna ka hatrany Baal-Hermôna sy i Anira ary ny tendrombohitra Hermôna; maro izy ireo.
Josoa 13:29 - Baiboly Katolika Nomen’i Môizy anjara ny antsasaky ny fokon’i Manase, ny taranak’i Manase, araka ny fianakaviany, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nomen’i Mosesy koa ny antsasaky ny fokon’i Manase. Toy izao no an’ny antsasaky ny fokon’i Manase araka ny fianakaviany avy: DIEM PROTESTANTA Ary nomen’i Mosesy anjara koa ny antsasa-pokon’i Manase; azon’ilay antsasa-poko taranak’i Manase izany ho an’ireo tarika ao anatiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nomen’i Mosesy anjara koa ny antsasa-pokon’i Manase; azon’ilay antsasa-poko taranak’i Manase izany ho an’ireo tarika ao anatiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nomen’i Mosesy koa ny antsasaky ny firenen’i Manase; ary izao no an’ny antsasaky ny firenena taranak’i Manase araka ny fokony: Malagasy Bible Ary nomen'i Mosesy koa ny antsasaky ny firenen'i Manase; ary izao no an'ny antsasaky ny firenena taranak'i Manase araka ny fokony: La Bible en Malgache Nomen’i Mosesy koa ny antsasaky ny fokon’i Manase. Toy izao no an’ny antsasaky ny fokon’i Manase araka ny fianakaviany avy: |
Ny taranaky ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nonina tamin’ny tany hatrany Basàna ka hatrany Baal-Hermôna sy i Anira ary ny tendrombohitra Hermôna; maro izy ireo.
Manolotra ny sisin-tanin’i Neftalì, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray, ho an’i Manase.
ka tsy hiverina raha tsy efa resy eo anatrehan’i Iaveh ny tany, dia afa-tsiny eo anatrehan’i Iaveh sy eo anatrehan’i Israely ianareo, ary ho fanananareo eo anatrehan’i Iaveh ity faritany ity.
Ary nomeko ny antsasaky ny fokon’i Manase ny sisa amin’i Galaada sy ilay faritanin’i Basàna manontolo izay fanjakan’i Oga. Ny tany Argoba rehetra sy Basàna rehetra no atao hoe tanin’ny Refaima.
Izany no lovan’ny taranak’i Gada, araka ny fianakaviany, dia ny tanàna aman-jana-bohiny.
ka izao no faritaniny, hatrany Manaima: Basàna rehetra, ny fanjakana rehetra an’i Jaira any Basàna, dia tanàna enimpolo.
Koa nahazo anjaram-polo i Manase, afa-tsy ny tany Galaada sy Basàna, any an-dafin’i Jordany,
satria ny zanaka vavin’i Manase dia nahazo lova teo afovoan’ny zanaka lahiny: ny tanin’i Galaada ho an’ny zanaka lahiny: ny tanin’i Galaada ho an’ny zanaka lahin’i Manase sisa.
I Môizy no nanome faritany, any amin’i Basàna, ho an’ny antsasaky ny fokon’i Manase, ary i Jôsoe kosa no nanome faritany ny antsasany sisa amin’ny rahalahiny atỳ an-dafin’i Jordany atỳ andrefana. Nony nampody azy ireo ho any an-dainy i Jôsoe dia nitso-drano azy,