Dia hoy Andriamanitra: «Aoka ny tany haniry ahitra maitso sy anana mamoa ary hazo mamoa, araka ny karazany avy, eny ambonin’ny tany.» Dia tanteraka izany.
Jona 2:10 - Baiboly Katolika Fa izaho kosa, dia amin’ny feo fiderana Anao, no hanolorako sorona Aminao; ary ny voady nataoko hoefaiko. An’i Iaveh ny famonjena! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa izaho kosa dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, ary izay nivoadiako dia hefaiko. An’NY TOMPO ny famonjena. DIEM PROTESTANTA Fa izaho kosa amin-kira fiderana no hanolorako sorona aminao, ary hanefako ny voady izay nataoko. Anao, TOMPO ô, ny famonjena! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa izaho kosa amin-kira fiderana no hanolorako sorona aminao, ary hanefako ny voady izay nataoko. Anao, TOMPO ô, ny famonjena! Baiboly Protestanta Malagasy Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An’i Jehovah ny famonjena. Malagasy Bible Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena. Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin'ny tany maina Jona. La Bible en Malgache fa izaho kosa dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, ary izay nivoadiako dia hefaiko. An’NY TOMPO ny famonjena. |
Dia hoy Andriamanitra: «Aoka ny tany haniry ahitra maitso sy anana mamoa ary hazo mamoa, araka ny karazany avy, eny ambonin’ny tany.» Dia tanteraka izany.
Hoy Andriamanitra: «Misia fanazavana eo amin’ny habakabaky ny lanitra, mba hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka izy ho famantarana, ka hanamarika ny fotoana, ny andro, ny taona;
Dia nataon’Andriamanitra ny habakabaka, ka ny rano ambonin’ny habakabaka dia nosarahiny tamin’ny rano ambanin’ny habakabaka, dia tanteraka izany.
Hoy Andriamanitra: «Aoka hiangona amin’ny fitoerana iray ny rano eo ambanin’ny lanitra, ka aoka hiseho ny maina.» Dia tanteraka izany.
Noho Ianao dia hanàko eo amin’ny fiangonan-dehibe ny hirako; hefaiko eo anatrehan’izay matahotra Anao ny voadiko.
Fa niteny ihany Izy, dia àry izao rehetra izao, nandidy Izy dia nisy ny zavatra rehetra.
I Iaveh efa nalaky namonjy ahy; isika kosa hitendry hampaneno ny kofehin’ny lokangako amin’ny andro rehetra iainantsika, ao an-tranon’i Iaveh.
Tonga Aho: nahoana no tsy nisy olona? Niantso Aho: nahoana no tsy nisy namaly? Moa fohy tanana va Aho, ka tsy afa-namonjy? Sa tsy ampy hery hoenti-manafaka? Vao rahonako fotsiny dia maina ny ranomasina, zary efitra ny ony, maimbo ny hazandranony, fa ritra ny rano, ka matin’ny hetaheta ireny.
Ary Izaho no Iaveh Andriamanitrao, hatrany amin’ny tany Ejipta; tsy hahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao; ary eo ivelan’ny Tenako tsy misy mpamonjy.
Mitondrà teny ianareo, miaraka aminareo, ka miverena amin’i Iaveh, lazao aminy hoe: Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara. Aoka hatolotray Anao ho solon’ny vantotr’ombalahy ny teny avy amin’ny molotray.