Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Joela 2:6 - Baiboly Katolika

Eo anoloan’izy ireo ny firenena, mangovitra matahotra, ny tarehy mivaloarika avokoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; mivaloarika ny tarehy rehetra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mangovitra eo anoloany ny vahoaka, ka tera-mena avokoa ny endriny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mangovitra eo anoloany ny vahoaka, ka tera-mena avokoa ny endriny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; Ny tarehy rehetra mivaloarika;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; Ny tarehy rehetra mivaloarika;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; mivaloarika ny tarehy rehetra.

Jereo ny toko



Joela 2:6
7 Rohy Ifampitohizana  

Fa efa tahaka ny siny hoditra mitanina amin’ny setroka aho, nefa tsy mba manadino ny lalànao.


hangovitra izy, ho azon’ny tebiteby amam-panaintainana; hiolanolana toy ny vehivavy miteraka izy; sady hifampijery samy hitanàka foana eo; ary hivoaramena hoatra ny afo ny tarehiny!


Anontanio sy zahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza. Ka nahoana ity lehilahy rehetra no hitako manery tehezana amin’ny tanany hoatra ny vehivavy mihetsi-jaza, ary nahoana no tonga hatsatra avokoa ny tarehy?


Mangana aho amin’ny hamanganan’ny zanaka vavin’ny oloko; misaona aho ary raiki-tahotra aho.


Ny tavany mainty noho ny fahamaizinana, ka tsy fantatra intsony izy eny an-dalam-be, ny hodiny, miraikitra amin’ny taolany, maina tahaka ny hazo.


Baboy ny volafotsy, baboy ny volamena! fa tsy hita lany ny hareny, mbamin’ny fanaka sarobidiny rehetra voaangony.


Foana, voaroba, tankina! Kivy ny fo, mangovitra ny lohalika, mitapitapin’ny fiahiana mafy ny valahana rehetra, mivaloarika avokoa ny tarehy.