Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Joela 2:3 - Baiboly Katolika

Eo anoloany misy afo mandevona, ary eo aoriany misy lelafo mandoro. Ny tany eo alohany, toy ny zaridain’i Edena, ary ny eo aoriany, toy ny efitra voarava; tsy misy tsy asiany na kely akory aza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Misy afo mandevona eo alohany ary misy lelafo mandoro any aorianany; tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany fa ny any aorianany kosa dia tahaka ny tany efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tahaka ny afo mandevona no hanimbany ny eo alohany sy handoroany ny ao aoriany. Talohan’ny fahatongavany dia toy ny zaridainan’i Hedena ny tany; taorian’ny fandalovany kosa dia taniefitra kilan’ny afo no sisa. Eny, tsy nisy izay tsy ravany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tahaka ny afo mandevona no hanimbany ny eo alohany sy handoroany ny ao aoriany. Talohan’ny fahatongavany dia toy ny zaridainan’i Hedena ny tany; taorian’ny fandalovany kosa dia taniefitra kilan’ny afo no sisa. Eny, tsy nisy izay tsy ravany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Eo alohany misy afo mandevona, Ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, Fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana,– Eny, tsy misy tsy azony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Eo alohany misy afo mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Misy afo mandevona eo alohany ary misy lelafo mandoro any aorianany; tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany fa ny any aorianany kosa dia tahaka ny tany efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.

Jereo ny toko



Joela 2:3
21 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.


Ary i Iaveh Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana, ka napetrany tao ny olona izay noforoniny.


Avy ny Andriamanitsika, ka tsy hangina; afo mandevona no eo alohany, tafio-drivotra mahery no manodidina azy.


Afo no mandroso eo alohany, sady mandevona ny fahavalony manodidina.


Rakotra azy ny tany rehetra, maizina ny tany azon’ireny. Levona avokoa ny ahitra tamin’ny tany, mbamin’ny voan’ny hazo, izay sisan-kavandra rehetra; tsy nisy niangana ny zava-maitso tamin’ny hazo sy tamin’ny ahitra any an-tsaha eran’ny tany Ejipta tontolo.


Ho rakotra azy ny tany, tsy ho hita hirangirana ny tany; holevoniny avokoa ny sisa tsy voa izay navelan’ny havandra ho anareo; hohaniny daholo ny hazo maniry eny an-tsaha,


nampanjary efitra an’izao tontolo izao, nandrava ny tanàna, tsy nandefa ny babo hody any aminy?› »


Satria ritra ny ranon’i Nimrima, maina ny ahitra, fongana ny ahi-maitso, tsy misy intsony izay zava-maitso.


Hangonina hoatra ny fanangon’ny valala ny babonareo; mihazakazaka mankao ny olona, hoatra ny andiam-balala.


Satria efa nampionona an’i Siôna i Iaveh, ka nampiononiny ny rava rehetra teo; novany ho tahaka an’i Edena ny efitra teo; ary ho zaridainan’i Iaveh ny tany foana tao. Fifaliana amam-piravoravoana no ho hita ao, mbamin’ny hira fisaorana amam-peo mozika.


Noho ny hatezeran’i Iavehn’ny tafika dia may ny tany, ary ny vahoaka zary rembin’afo. Tsy misy mitsimbina izay rahalahiny intsony;


mikapa eny ankavanana ny olona, nefa noana ihany, mandrapaka eny ankaviany izy, nefa mbola tsy voky; samy mihinana ny nofon-tsandriny avokoa izy; i Manase mamely an’i Efraima, i Efraima mamely an’i Manase, izy roa tonta ireo mamely an’i Jodà.


Holanìny ny haninao amam-bokatrao; holanìny ny zanakao lahy aman-janakao vavy; holanìny ny ondry aman’ombinao; holanìny ny voalobokao aman’aviavinao; horavany amin’ny sabatra ny tanànanao mimanda izay nitokianao.»


Holazaina hoe: «Io tany io efa foana teo, nanjary hoatra ny sahan’i Edena, ary ny tanàna efa rava, lao, nirodana, efa misy mponina hoatra ny tanàna mimanda.»


Izao no nasehon’ny Tompo Iaveh tamiko: dia indro tonga i Iaveh hanasazy amin’ny afo, dia nandevona ny hantsana lehibe ny afo, sy nandevona ny anjara-lovan’ny Tompo.


Satria indro Aho hamoky ny Kaldeanina, firenena masiaka sy mirehidrehitra, izay mandroso ho any amin’ireo tany midadasika be mba haka fonenana izay tsy azy.


Haeliko any amin’ny firenena rehetra tsy fantany izy ireo, ka ny tany eo aorian’izy ireo hipetraka foana, ary tsy hisy olona handalo na hiverina ao. Ilay tany mahafinaritra iny, ka nataony zary efitra.