Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Joela 2:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Tahaka ny afo mandevona no hanimbany ny eo alohany sy handoroany ny ao aoriany. Talohan’ny fahatongavany dia toy ny zaridainan’i Hedena ny tany; taorian’ny fandalovany kosa dia taniefitra kilan’ny afo no sisa. Eny, tsy nisy izay tsy ravany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Misy afo mandevona eo alohany ary misy lelafo mandoro any aorianany; tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany fa ny any aorianany kosa dia tahaka ny tany efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Tahaka ny afo mandevona no hanimbany ny eo alohany sy handoroany ny ao aoriany. Talohan’ny fahatongavany dia toy ny zaridainan’i Hedena ny tany; taorian’ny fandalovany kosa dia taniefitra kilan’ny afo no sisa. Eny, tsy nisy izay tsy ravany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Eo anoloany misy afo mandevona, ary eo aoriany misy lelafo mandoro. Ny tany eo alohany, toy ny zaridain’i Edena, ary ny eo aoriany, toy ny efitra voarava; tsy misy tsy asiany na kely akory aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Eo alohany misy afo mandevona, Ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, Fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana,– Eny, tsy misy tsy azony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Eo alohany misy afo mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Misy afo mandevona eo alohany ary misy lelafo mandoro any aorianany; tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany fa ny any aorianany kosa dia tahaka ny tany efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.

Jereo ny toko dika mitovy




Joela 2:3
21 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitazana i Lôta ka nahatsinjo ny faritanin’i Jôrdàna manontolo. Talohan’ny nandravan’ny TOMPO an’i Sôdôma sy i Gômôra, izany faritany izany mandra-pahatonga any Tsôhara dia tahaka ny zaridainan’ny TOMPO, tahaka ny lohasahan’i Neily.


Avy eo dia novolen’ny TOMPO Andriamanitra zaridaina tao Hedena, tany atsinanana, mba hametrahany an-draolombelona izay namboariny.


Tonga ilay Andriamanitray ka tsy hangina Izy fa hiteny. Afo mandevona no mialoha Azy, tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.


Misy afo mandeha mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony eny manodidina.


Nandrakotra ny tany manontolo ireny ka maizina ny tany. Nohanin’ny valala ny ahitra rehetra tamin’ny tany sy ny voankazo rehetra sisan’ny havandra, koa tsy nisy zava-maitso tavela intsony nanerana an’i Ejipta manontolo na tamin’ny hazo na tamin’ny zava-maniry eny an-tsaha.


Ho rakotry ny valala ny tany ka tsy ho hita intsony. Hohaniny ny voly sisa tsy voan’ny havandra, ary tsy hasiany miangana ny hazo maniry rehetra any an-tsaha.


nanova izao tontolo izao ho taniefitra fa sady nandrava tanàna no tsy nandefa ireo gadra hody!»


Nanjary ritra ny ranon’i Nimrima, maina ny vilona, nalazo ny zava-maniry, ary tsy nisy ahi-maitso intsony.


Miavosa toa fiavosam-balala ny remby; ary toa firohotr’andiam-balala no hirohotana mankeo aminy.


Eny, ny TOMPO tokoa no nampahery an’i Tsiôna, nampahery azy teo anivon’ny faharavàny rehetra. Ka izany toerana karankaina izany dia novan’ny TOMPO ho paradisa; ary izany tany ngazana izany dia novany ho zaridaina mahavariana. Fientanentanana sy firavoravoana no ho hita ao ary koa hira fiderana sy feon-java-maneno.


Tezitra mafy ny TOMPOn’izao rehetra izao, ka dia mirehitra izany tany izany ary toy ny levon’ny afo ny vahoakany. Tsy misy olona miantra ny namany:


andidiana ny eo an-kavanana nefa mbola noana ihany ny tena, ihinanana ny eo an-kavia nefa mbola tsy voky ihany. Samy mihinana ny havany avokoa izy:


Tapitra haripak’io firenena io avokoa ny vokatrareo sy ny mofonareo, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ny omby sy ondry aman’osinareo, ary ny voalobokareo sy ny aviavinareo. Horavany amin’ny ady ny tanànamimanda izay noheverinareo hitokiana.


Dia holazainy hoe: ‹Nanjary toy ny zaridainan’i Hedèna ity ilay tany efa lavavolo. Ireo tanàna efa tonga korontam-bato sady foana sy rava dia voamboatra sy misy mponina indray.


Izao indray no nasehon’ny Tompo ANDRIANANAHARY ahy tamin’ny fahitana: Indro Izy Tompo ANDRIANANAHARY dia niantso ny afo hanatanteraka ny fitsarany; ka ny afo no nandritra ny ranobe any ambanin’ny tany sady nandoro ny tanin’i Israely.


Fa indro antsoiko ny Babilônianina, dia ilay firenena masiaka sy tsy mivatravatra; mitety faritra midadasika ireo hakàny ny tanin’ny sasany.


Fa naeliko ho any amin’ny firenena isan-tokony izay tsy fantany akory izy. Tany lao no sisa navelany taoriany, ka tsy nivezivezen’olona intsony. Ary ilay taniny nahafinaritra iny dia nataony tonga taniefitra.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra