Taorian’izany, tonga tamin’i Abrama tamin’ny fahitana ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Aza matahotra, ry Abrama, fa Izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.»
Joela 2:21 - Baiboly Katolika Aza matahotra, ry tany, fa mifalia sy miravoravoa, satria nanao zava-dehibe i Iaveh! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aza matahotra, ry tany fambolena, mifalia sy miravoravoa fa manao zava-dehibe NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravo sy mifalia ianao fa manao zava-dehibe ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravo sy mifalia ianao fa manao zava-dehibe ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Aza matahotra, ry tany fambolena, Miravoravoa sy mifalia; Fa manao zava-dehibe Jehovah. Malagasy Bible Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravoa sy mifalia; Fa manao zava-dehibe Jehovah. La Bible en Malgache Aza matahotra, ry tany fambolena, mifalia sy miravoravoa fa manao zava-dehibe NY TOMPO. |
Taorian’izany, tonga tamin’i Abrama tamin’ny fahitana ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Aza matahotra, ry Abrama, fa Izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.»
Mahatakatra ny lanitra ny fahamarinanao, ry Andriamanitra, Ianao izay mahefa ny zava-dehibe! - Iza no tahaka Anao, ry Andriamanitra? -
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Mihobia an-kafaliana, ry lanitra, fa efa vitan’i Iaveh izany. Mirohondrohòna, ry fanambanin’ny tany! Ataovy maresaka ny fifaliana, ry tendrombohitra, mbamin’ireo ala sy hazo rehetra eo aminareo: fa I Iaveh efa nanavotra an’i Jakôba, sy naneho ny voninahiny eo amin’i Israely!
Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; aza mangaihay, fa tsy hisy hahamenatra anao; fa hanadino ny henatry ny fahatanoranao ianao; ary tsy hahatsiaro intsony ny tondromaso, fony mpitondratena.
Fa hivoaka amin-kafaliana ianareo, ary hoentina amim-piadanana; amin’ny fahitana anananareo, ny tendrombohitra sy ny havoana hihoby an-kafaliana, ary ny hazo rehetra eny an-tsaha hitehaka.
Antsoy Aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao.
Hofofoiko mba ho Ahy mandrakizay ianao; hofofoiko ho Ahy ianao amin’ny rariny sy ny hitsiny, ary amin’ny fahasoavana sy ny fitiavana;
Hampanalaviriko anareo ilay avy any avaratra, ka horoahiko ho any amin’ny tany karankaina sy efitra izy; Ny lohalalany ho any amin’ny ranomasina atsinanana. Ny vodilalany ho any amin’ny ranomasina andrefana; ka fofona mantsina no hanetona avy aminy, ary hiakatra ny fahamaimboany!» Satria nahefa zava-dehibe izy!
Hihinana be ianareo ka ho voky, dia hidera ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrareo, izay nanao zava-mahagaga ho anareo; ary tsy ho menatra intsony ny vahoakako, na oviana na oviana.
no ikasako kosa indray amin’izao andro izao, ny hanisy soa amin’i Jerosalema sy amin’ny taranak’i Jodà; ka aza matahotra.
Anontanio ny andro fahagola tany alohanao, hatramin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona teto ambonin’ny tany sy hatramin’ny faravodilanitra na aiza na aiza, raha mba nisy zava-dehibe tahaka izany na oviana na oviana, na nisy re toy izany akory na oviana na oviana!
Ary ankehitriny andraso kely koa ka jereo ny zava-dehibe efa hataon’i Iaveh eo imasonareo.
Izao ihany, matahora an’i Iaveh ary manompoa Azy marina, amin’ny fonareo rehetra. Satria jereo ange ireo zava-dehibe nataony teo aminareo!