Ny taona rehetra samy hilaza amin’izay mandimby azy ny fiderana ny asanao; hitory ny fahagagana nataonao ny olona.
Joela 1:3 - Baiboly Katolika Aoka hilaza izao ianareo amin’ny zanakareo, ny zanakareo amin’ny zanany, ary ny zanak’izy ireo, amin’ny taranaka mandimby azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lazao amin’ny zanakareo izao ary aoka hilaza amin’ny zanany kosa ny zanakareo ary ny zanak’ireo kosa indray dia hilaza amin’ny taranaka mandimby azy. DIEM PROTESTANTA Tantarao amin’ny zanakareo izao, dia hotantarainy amin’ireo zanany; ary ireto kosa hitantara izany amin’ny taranaka mandimby azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tantarao amin’ny zanakareo izao, dia hotantarainy amin’ireo zanany; ary ireto kosa hitantara izany amin’ny taranaka mandimby azy. Baiboly Protestanta Malagasy Lazao amin’ny zanakareo izao, Ary aoka ny zanakareo hilaza amin’ny zanany kosa, Ary ny zanak’ireo kosa indray amin’ny taranaka mandimby azy. Malagasy Bible Lazao amin'ny zanakareo izao, ary aoka ny zanakareo hilaza amin'ny zanany kosa, ary ny zanak'ireo kosa indray amin'ny taranaka mandimby azy. La Bible en Malgache Lazao amin’ny zanakareo izao ary aoka hilaza amin’ny zanany kosa ny zanakareo ary ny zanak’ireo kosa indray dia hilaza amin’ny taranaka mandimby azy. |
Ny taona rehetra samy hilaza amin’izay mandimby azy ny fiderana ny asanao; hitory ny fahagagana nataonao ny olona.
Mandra-pahatongako ho antitra sy fotsy volo, aza ilaozanao aho Andriamanitra, mba hampahafantarako ny herinao amin’ny taranaka ankehitriny, ary ny fahefanao amin’ny taranaka ho avy.
Ary indray andro raha avy izay hanontanian’ny zanakao anao hilaza hoe: ‹Inona no hevitr’izao?› Dia hovalianao hoe: ‹Tamin’ny tanany mahery no namoahan’i Iaveh anay tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana.
Fa ny velona dia ny velona ihany no mankalaza Anao tahaka izao ataoko anio izao; ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.
Alatsaho ao an-tsain’ny zanako izany; ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao, na mandry ianao, na miarina.