Jeremia 9:11 - Baiboly Katolika Iza no olon-kendry izay mba hahafantatra izao, izay efa nitenenan’ny vavan’i Iaveh, mba hampahalala izao? Nahoana no rava ny tany sy kila tahaka ny efitra, tsy misy olo-mandalo akory? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao? Iza no efa nitenenan’ny vavan’NY TOMPO mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny tany efitra ka tsy misy olona mandeha eo intsony? DIEM PROTESTANTA Mba misy olon-kendry anankiray ve mba afaka hahatakatra izao? Raha nitenenan’ny TOMPO izy, dia aoka mba hanambara izay antony nahasimba ny tany sy nahavoadoro azy ho tahaka ny taniefitra ka tsy andalovan’olona intsony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mba misy olon-kendry anankiray ve mba afaka hahatakatra izao? Raha nitenenan’ny TOMPO izy, dia aoka mba hanambara izay antony nahasimba ny tany sy nahavoadoro azy ho tahaka ny taniefitra ka tsy andalovan’olona intsony. Baiboly Protestanta Malagasy Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao, Sady efa nitenenan’ny vavan’i Jehovah mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany Sady may ho toy ny efitra, Ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy? Malagasy Bible Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao, sady efa nitenenan'ny vavan'i Jehovah mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny efitra, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy? La Bible en Malgache Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao? Iza no efa nitenenan’ny vavan’NY TOMPO mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny tany efitra ka tsy misy olona mandeha eo intsony? |
Salamon’i Asafa. Ry Andriamanitra ô, ibosesehan’ny firenena ny lovanao, ka ny tempolinao masina nolotoiny; i Jerosalema nataony korontam-bato;
Ny amboadia no hierona ao an-dapany lao; ary ny alikadia ao an-trano firavoravoany. Efa antomotra ny fotoany, ary tsy hohalavaina ny androny.
Fa ny tanàna nataonao zary korontam-bato, ary ny tanàna mimanda, nataonao zava-drava, ny trano mimandan’ny barbarianina, tsy mba tanàna intsony, sady tsy hatsangana mandrakizay.
Tsilo no haniry ao an-dapany; ary voaroy amam-beroberokamboa no ho eo an-tranony mimanda, ka ho fieren’amboadia sy ho valan’ostritsa foana izy.
Izaho no mahatò ny tenin’ny mpanompoko, sy mahatanteraka ny hevitra lazain’ny irako; ny amin’i Jerosalema dia ilazako hoe: «Honenana anie izy!» ny amin’ny tanànan’i Jodà hoe: «Hatsangana indray anie izy ireo!» Hamboariko indray izay rava aminy.
Fa inty aho miantso ny fianakaviana rehetra amin’ny fanjakana any avaratra, - teny marin’i Iaveh. - Ka ho avy izy, ary samy hametraka ny seza fiandrianany eo am-pidiran’ny vavahadin’i Jerosalema, eo anoloan’ny mandany rehetra manodidina, ary eo anoloan’ny tanànan’i Jodà rehetra.
Misy tsaho sy siosion-teny! Injany tamy izy, misy tabataba be avy amin’ny tany avaratra, hanova ny tanànan’i Jodà ho efitra, sy fieren’amboadia!
Rehefa lazainao amin’ity vahoaka ity, ireo zavatra rehetra ireo, dia hiteny aminao izy hanao hoe: ‹Ahoana i Iaveh no mampandre anay mialoha izany lozabe rehetra izany? Inona no helokay, ary inona no fahotanay, izay nataonay tamin’i Iaveh Andriamanitray?›
Ity tany rehetra ity ho tany lao, hanompo ny mpanjakan’i Babilôna, mandritra ny 70 taona.
ny mpanjakany, ny lehibeny, mba hanao azy ho tany manirery, ho tany rava, ho zavatra fandatsa, fanozonana, araka izao hita anio izao.
i Mikea avy any Môresheta dia naminany, ka nilaza tamin’ny vahoakan’i Jodà rehetra hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Hasaina toy ny tanimboly i Siôna; hanjary antontan-java-drava i Jerosalema ary havoana miboalaboala ny tendrombohitra misy ny tempoly.
Ahoana no aminanianao amin’ny Anaran’i Iaveh hoe: ‹Ho tahaka an’i Silao ity trano ity, ary ho lao tsy misy mponina ity tanàna ity?› » - Dia nitangoronan’ny olona rehetra tao an-tranon’i Iaveh i Jeremia.
Indro manome didy Aho, - teny marin’i Iaveh - hampiverina azy hamely ity tanàna ity indray, dia hiady aminy izy ka hahafaka azy sy handoro azy, ary hataoko zary efitra tsy misy mponina ny tanànan’i Jodà
Fa izao no lazain’i Iaveh: Ho lao ny tany rehetra, kanefa tsy mba hofongorako avokoa izy.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Efa hitanareo ny loza rehetra nahàtrako tamin’i Jerosalema sy ny tanànan’i Jodà rehetra, fa indreo izy ankehitriny, fa efa tany lao sy tsy misy mponina intsony,
Ka dia ho zary fieren’amboadia i Hasora, sy ho tany lao mandrakizay; tsy hisy olona monina ao, tsy hisy zanak’olombelona hipetraka ao akory. Tenin’Andriamanitra mamely an’i Elama
Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy, ka hataony lao ny taniny, fa tsy hisy olo-monina intsony; nitsoaka nandositra, na ny olona na ny biby, dia lasa, - teny marin’i Iaveh. -
Ary i Babela dia ho korontam-bato, ho fieren’amboadia, ho fampitahorana sy fanesoana, tsy hisy mponina.
Tsy misy baoma intsony any Galaada, tsy misy dokotera intsony va any? Sa nahoana no tsy nasiana bandy ny zanaka vavin’ny oloko?
Misaona ny lalan’i Siôna, fa tsy misy intsony ny miakatra ho amin’ny fetiny. Rava avokoa ny vavahadiny, mitaraina ny mpisorony, miferinaina ny virjininy ary tra-pahoriana mangidy izy.
Noravan’ny Tompo, tsy nananany antra, ny fonenan’i Jakôba rehetra. Narodany tamin’ny hatezerany ny mandan’ny zanaka vavin’i Jodà. Nazerany amin’ny tany ireo; nohamavoiny ny fanjakana ama-mpanjaka.
Koa i Samaria dia hataoko antontam-bato any an-tsaha, tany fambolena voaloboka; hakodiako ho any an-dohasaha ny vatony, ary hampihanjahanjaiko ny fanorenany.
Koa noho ny aminareo, i Siôna hanjary saha asaina, i Jerosalema ho tonga antontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny Tempoly ho fitoerana avo misy hazo!
Mitandrina ny fitsipik’i Amrì ny olona, mbamin’ny fanaon’ny taranak’i Akaba rehetra, ary mandeha araka ny toroheviny ianareo, mba hanolorako anareo amin’ny fandringanana, ary ny mponina amin’ny tany, ho amin’ny fisitrisìrana, ka hivesaranareo ny latsan’ny vahoakako.
ka hiteny izany firenena rehetra izany hanao hoe: Nahoana i Iaveh no dia nanao izao tamin’izany tany izany? Inona no dia nahatonga izao firehetam-pahatezerana lehibe izao? Dia hisy hilaza hanao hoe:
Niantso tamin’ny feo mahery izy, nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, ka tonga fonenan’ny demony, sy fitoeran’ny fanahy maloto rehetra, ary fieren’ny vorona maloto halan’ny olona rehetra!