Jeremia 7:5 - Baiboly Katolika Fa raha ahitsinareo ny lalanareo aman’asanareo; raha tsarainareo marina ny adin’ny olona amin’ny namany, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa raha ahitsinareo tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, raha mitsara marina ny adin’olona amin’ny namany ianareo, DIEM PROTESTANTA Fa ahitsio tsara ny fitondrantena sy ny fanaonareo: anaovy fitsarana ara-drariny ny adin’ny olona eo amin’ny fitsarana, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ahitsio tsara ny fitondrantena sy ny fanaonareo: anaovy fitsarana ara-drariny ny adin’ny olona eo amin’ny fitsarana, Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny làlanareo sy ny ataonareo, Ka mitsara marina ny adin’olona amin’ny namany hianareo, Malagasy Bible Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin'olona amin'ny namany ianareo, La Bible en Malgache Fa raha ahitsinareo tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, raha mitsara marina ny adin’olona amin’ny namany ianareo, |
Aoka ianao hanoro hevitra anay, hanelanelana anay; hanome aloka anay, toy ny amin’ny alina, amin’ny mitatao vovonana; hanafina ny enjehina, tsy hanondro ny mandositra!
ry taranak’i Davida: Izao no lazain’i Iaveh: Manaova fitsarana marina, hatramin’ny maraina; afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny ampahorîna, fandrao mipoaka hoatra ny afo ny fahatezerako, ka hirehitra tsy ho azon’olona vonoina, noho ny haratsian’ny ataonareo.
Noho ianao adalan-tsedera va no maha-mpanjaka anao? Moa tsy nisotro sy nihinana va ny rainao? Nanao ny hitsiny sy ny rariny izy, ary tamin’izany dia tsara ny zavatra rehetra taminy;
Izao no lazain’i Iaveh: «Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo; afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny ampahorîna: ny vahiny, ny kamboty, ama-mpitondratena; dia aza ratsy fitondra azy na manao an-keriny aminy, na mandatsa-dra tsy manan-tsiny amin’ity tany ity ianareo.
Koa ankehitriny, ahitsio ny lalanareo sy ny ataonareo; ary mihainoa ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo, dia hanenenan’i Iaveh ny loza nolazainy hamelezana anareo.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Ahitsio ny lalanareo aman’asanareo, dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo.
tsy nanao zana-bola be loatra na naka zana-bola; nitandrina ny lalàko izy ary nanaraka ny didiko; tsy ho faty noho ny rainy izy fa ho velona tokoa.
tsy manao zana-bola be loatra, tsy maka zana-bola, mamily ny tanany tsy hanao ratsy, mitsara marina ny an-daniny avy,
Aza misy mamono antoka ny rahalahinareo ianareo, fa matahora an’Andriamanitra, satria Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Moa tsy eo va ireo teny nolazain’i Iaveh tamin’ny vavan’ny mpaminany fahiny, fony mbola nonenana sy nandry feizay i Jerosalema, mbamin’ny zana-bohiny manodidina azy, sady mbola nonenana koa ny Negeba sy ny Sefelah?› »
Dia nahita zazavavy virjiny efajato tsy mbola nahalala lahy fa tsy nandry tamin-dehilahy izy ireo, teo amin’ny mponina any Jabesy, any Galaada, ka nentiny nankany an-toby tany Silao izay any amin’ny tany Kanaana.