Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 7:33 - Baiboly Katolika

Ka ny fatin’ity firenena ity dia hohanin’ny voromanidina sy ny bibin’ny tany, ary tsy hisy handroaka ireny akory.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny fatin’ity firenena ity dia ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia ka tsy hisy hanaitaitra azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny fatin’ireo olona ireo dia ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia izay tsy hisy hanaitaitra hampiala azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny fatin’ireo olona ireo dia ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia izay tsy hisy hanaitaitra hampiala azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny fatin’ity firenena ity dia ho fihinan’ny voro-manidina sy ny bibi-dia, Ka tsy hisy hanaitaitra azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny fatin'ity firenena ity dia ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibidia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny fatin’ity firenena ity dia ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia ka tsy hisy hanaitaitra azy.

Jereo ny toko



Jeremia 7:33
19 Rohy Ifampitohizana  

Izy rehetra indray hatolotra ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an’ny biby ambonin’ny tany; ny vorona mpihaza hihinana azy amin’ny fahavaratra; ary ny biby ambonin’ny tany koa amin’ny ririnina.


Papango sadasada va ity lovako, ka ifandafaran’ny papango avy hatraiza hatraiza? Avia ianareo, angony ny biby rehetra eny an-tsaha, ka ento ireny hihinana!


Ny olona aminaniany koa: hatsipy eny an-dalamben’i Jerosalema, fa matin’ny mosary sy ny sabatra ka tsy hisy olona handevina azy, na ny tenany, na ny vadiny, na ny zanany lahy aman-janany vavy, fa harotsako amin’izy ireo ny haratsiany.


Ary loza efatra karazana no haingaiko hamely azy, - teny marin’i Iaveh - dia ny sabatra hamono, ny amboa hamiravira, ny voromanidina, amam-bibin’ny tany, hihinana sy handringana.


Izy ireo dia ho fatin’ny areti-mahafaty; tsy hitomaniana na halevina, ho tahaka ny zezika eo ambonin’ny tany. Ho fatin’ny sabatra ama-mosary; ary ny fatiny ho fihinan’ny voromanidina amam-bibin’ny tany.»


Hofoanako amin’ity fitoerana ity ny fisainan’i Jodà sy i Jerosalema; hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ny fahavalony izy, sy amin’ny tanan’ireo nitady ny ainy; ary ny fatiny homeko hohanin’ny voromanidina sy ny bibin’ny tany.


Halevina toy ny fandevina ampondra izy hotaritarihina sy hariana any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema.


Ka amin’izany andro izany, hisy izay novonoin’i Iaveh, hatramin’ny faran’ny tany iray, ka hatramin’ny farany iray koa; tsy hitomaniana na hangonina na halevina ireny, fa ho toy ny zezika eo ambonin’ny tany.


Hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’ireo mitady ny ainy izy ireo, hohanin’ny voromanidina amam-bibin’ny tany ny fatiny.


Ataovy hoe: Izao... - teny marin’i Iaveh: - Hifitsaka hoatra ny zezika eny an-tsaha, ny fatin’ny olona, sy hoatra ny andalam-bary eo aorian’ny mpijinja, ka tsy misy mpanangona.»


Izao no lazain’i Iaveh: «Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny; ny mahery, tsy hirehareha amin’ny heriny; ny manan-karena, tsy hirehareha amin’ny hareny.


Hatsipiko any an’efitra ianao, mbamin’ny hazandrano rehetra ao amin’ny oninao; dia hiankarapoka eny an-tampon-tanety, ary tsy hisy hanarina na hanangona, fa efa nomeko hohanin’ny biby eny an-tsaha sy ny voromanidina.


Hitsingidina eny an-tendrombohitr’i Israely ianao, dia ianao sy ny antoko-miaramila rehetra, mbamin’ireo firenena hiaraka aminao; ny vorona mpihaza, ny vorona isan-karazany, mbamin’ny bibin’ny tany no hanolorako anao mba hohaniny.


Hohanin’ny voromanidina rehetra sy ny biby dia ny fatinao, ary tsy hisy hanaitra an’ireny.


Tahaka ny firenena aringan’i Iaveh eo anoloanareo, dia ho ringana koa ianareo, satria tsy mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo.»