Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 7:33 - DIEM PROTESTANTA

33 Ny fatin’ireo olona ireo dia ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia izay tsy hisy hanaitaitra hampiala azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Ary ny fatin’ity firenena ity dia ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia ka tsy hisy hanaitaitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Ny fatin’ireo olona ireo dia ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia izay tsy hisy hanaitaitra hampiala azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

33 Ka ny fatin’ity firenena ity dia hohanin’ny voromanidina sy ny bibin’ny tany, ary tsy hisy handroaka ireny akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 Ary ny fatin’ity firenena ity dia ho fihinan’ny voro-manidina sy ny bibi-dia, Ka tsy hisy hanaitaitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Ary ny fatin'ity firenena ity dia ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibidia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 7:33
19 Rohy Ifampitohizana  

Izany rehetra izany dia hilaozana ho an’ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ny bibidia eny ambonin’ny tany; ao no handany fahavaratra ny vorona mpihaza ary handany ririnina ny bibidia rehetra.


Moa ve ilay anjara fananako ankehitriny dia tahaka ity vorona anankiray misoratsoratra iantorahan’ireo vorona mpihaza manodidina azy? Ndeha vorio ny bibidia rehetra, ka ento mankao amin’ny fanasana!


Ary ny vahoaka izay naminaniany koa dia hitsitra eny an-dalamben’i Jerosalema noho ny ady sy ny mosary ka tsy hisy handevina ireo olona ireo, na ny vadiny na ny zanany lahy na ny zanany vavy. Izany no hanatsingerenako aminy ihany ny ratsy nataony.


Karazan-javatra efatra no hotendreko hamely azy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO: ny sabatra handringana azy, ny alika hitarika azy lavitra ary ny voromahery mbamin’ny bibidia hihinana sy handripaka azy;


Ho fahafatesana mahatsiravina no hahafatesany ka tsy hitomaniana na halevina izy fa hijanona ho toy ny zezika eo amin’ny velaran-tany. Haripaky ny ady sy ny mosary izy, ka ny fatiny ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia.»


Eto amin’ity toerana ity no hanafoanako ny pôlitikan’i Joda sy i Jerosalema ka hataoko lavon-tsabatra eo anatrehan’ireo fahavalony izay mitady hahafaty azy ny mponina ao aminy, ary homeko ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia ny fatiny.


Halevina toy ny fandevina boriky izy; ka ny fatiny hotaritarihina sy hariana any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema.


Amin’izany andro izany, manomboka amin’ny tendron-tany ankilany ka hatrany amin’ny tendron-tany andaniny, izay nasian’ny TOMPO ho faty dia tsy hisaonana; tsy hangonina na halevina izy ireny, fa ho tonga zezika eo amin’ny velaran-tany.


Koa hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalo izay mitady hahafaty azy izy; ary ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia ny fatiny.


Ambarao kosa, ry Jeremià, izao teny hentitry ny TOMPO izao: «Eny amin’ny tany eny no miampatrampatra ny fatin’olona, toy ny zezika aparitaka eny an-tanimboly; tahaka ny amboara voajinja sady efa nilaozan’ny mpijinja saingy tsy misy olona mpanangona.»


Izao no lazain’ny TOMPO: «Aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny, aoka ny mahery tsy hirehareha amin’ny heriny, ary aoka ny mpanankarena tsy hirehareha amin’ny hareny!


Hatsipiko any an-taniefitra ianao sy ireo trondro rehetra ireo. Ho faty mitsitra amin’ny tany ianao, ka tsy hisy hanangona ny taolambalonao na handevina azy. Homeko hohanin’ny voromanidina sy ny bibidia ianao.


Ho faty miampatrampatra eny an-tendrombohitr’i Israely ianao sy ny tafikao manontolo ary ireo firenena maro mpomba anao. Homeko hohanin’ireo vorona mpihaza isan-karazany sy ny bibidia ny fatinareo.


Ary hihinana ny fatinareo ny voro-manidina rehetra sy ny bibidia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.


Tahaka ny handringanan’ny TOMPO ireo firenen-tsamy hafa eo anoloanareo no handringanana anareo koa, satria tsy nohenoinareo ny feon’ilay TOMPO Andriamanitrareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra