Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 6:7 - Baiboly Katolika

Toy ny fantsakana mampiboiboika ny ranony izy, mampiboiboika ny faharatsiany. An-keriny amam-pandravana no hàny re ao; fery aman-dratra no eo anatrehako eo mandrakariva.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; herisetra sy fandravana no re ao aminy; eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mampiboiboika ny faharatsiany toy ny fantsakana mamoaka rano izy. Herisetra sy famoretana no mba re ao. Ratra sy fijaliana no hitako ao mandrakariva.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mampiboiboika ny faharatsiany toy ny fantsakana mamoaka rano izy. Herisetra sy famoretana no mba re ao. Ratra sy fijaliana no hitako ao mandrakariva.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony No ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony no ampiboiboihany ny faharatsiany; herisetra sy fandravana no re ao aminy; eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana.

Jereo ny toko



Jeremia 6:7
24 Rohy Ifampitohizana  

Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.


Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha, tsy misy salama na dia kely aza, ao aminy: Tsy misy afa-tsy ratra, dian-kapoka, fery mangirifiry, tsy voasasa, na voabandy, na voalemin-diloilo akory.


Fa ny ratsy fanahy kosa, tahaka ny ranomasina manonja, izay tsy mety mitony, ary manakobana tany dilatra amam-potaka ny onjany.


Ny tenona ataony tsy azo itafiana; ary ny taozavany tsy azo irakofana; fa asa mahameloka ny asany, ary asa mandoza no ao an-tanany.


Fa isaky ny miteny aho, dia manao antso avo, manambara loza sy fandringanana, ka ny tenin’i Iaveh tonga fandatsàna sy fihomehezana ahy isan’andro.


Fa izao no lazain’i Iaveh: Tsy azo sitranina ny ratranao, manaintaina ny ferinao;


tsy misy olona hisolo vava anao amin’ny adinao, mba hamehezana ny ferinao, tsy misy fanafody mahasitrana ho anao.


Nahoana no mitaraina ianao noho ny faharatranao, noho ny tsy fahazoana manasitrana ny ferinao? Noho ny habetsahan’ny helokao ihany, sy noho ny nitomboan’ny fahotanao, no nanaovako izany zavatra izany taminao.


Fa ity tanàna ity tsy nanao afa-tsy izay hampirehitra ny hatezerako amam-pahavinirako, hatramin’ny andro nanorenany azy ka mandraka androany, mba hanesorako azy tsy ho ao anatrehako;


Tsy misy baoma intsony any Galaada, tsy misy dokotera intsony va any? Sa nahoana no tsy nasiana bandy ny zanaka vavin’ny oloko?


Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianareo nampahatsiaro ny helokareo, tamin’ny nampihariharinareo ny hadisoanareo sy nanehoanareo ny fahotanareo tamin’izay rehetra nataonareo, ka nanao izay hahatsiarovanareo anareo, dia nosamborin-tanana ianareo.


fa ny ra nalatsany dia mbola ao aminy; nataony teo amin’ny vatolampy mangadihady fa tsy nalatsany tamin’ny tany hosaronan’ny vovoka.


Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Aoka izay, ry mpifehy eo amin’i Israely, mampihataha ny fampahoriana amam-pihinanam-bahoaka, manaova ny hitsiny sy ny rariny, esory tsy ho eo amin’ny vahoakako ny fihoràhanareo, - teny marin’ny Tompo Iaveh.-


mitsangana ny fanaovana an-keriny, mba ho tsora-kazo hamelezana ny fanoherana ny fivavahana. Tsy hisy aminy ho voavela, na amin’ny hamaroany, na amin’ny fihahohahoany, tsy ho maresaka intsony.


Omany ny gadra; fa feno heloka ny tany; ary feno fanaovana an-keriny, ny tanàna.


Mila loza ilay miodina sy voaloto dia ny tanàna fampahoriana!