Ka dia narian’i Iaveh avokoa ny taranak’i Israely; nampahoriny sy natolony teo an-tanan’ny mpamabo izy ireo, mandra-pandroaka azy lavitra ny Tavany.
Jeremia 6:30 - Baiboly Katolika Volafotsy farany, hoy ny olona: satria efa nataon’i Iaveh ao amin’ny fanarian-javatra izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ataon’ny olona hoe volafotsy tsy ilaina izy satria tsy ilain’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Volafotsy tsy misy ilana azy no ilazana ireny olona ireny, satria tsy ilain’ny TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Volafotsy tsy misy ilana azy no ilazana ireny olona ireny, satria tsy ilain’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy Ataon’ny olona hoe ,Volafotsy tsy lany’ izy, Satria tsy lanin’i Jehovah. Malagasy Bible Ataon'ny olona hoe, volafotsy tsy lany izy, satria tsy lanin'i Jehovah. La Bible en Malgache Ataon’ny olona hoe volafotsy tsy ilaina izy satria tsy ilain’NY TOMPO. |
Ka dia narian’i Iaveh avokoa ny taranak’i Israely; nampahoriny sy natolony teo an-tanan’ny mpamabo izy ireo, mandra-pandroaka azy lavitra ny Tavany.
Arianao toy ny tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany; noho izany dia tiako ny fampianaranao.
Moa tsy manana fahalalana va ry zareo mpanao ratsy? fa ny vahoakako haniny toy ny fihinan-kanina; izy ireo tsy miantso an’Andriamanitra akory.
Haninjitra ny tanako aminao Aho, ka ny tain-drendrikao hoempoiko toy ny amin’ny sirahazo, ary ny potipoti-pirakao rehetra hoesoriko.
Dia narianao avokoa va i Jodà? Efa naharikoriko ny fanahinao va i Siôna? Nahoana no dia kapohinao tsy manam-pahasitranana izahay? Niandry fiadanana izahay, nefa tsy misy soa kely akory. Niandry fotoam-pahasitranana, kanjo fampitahorana no mitranga.
Raha ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, no manontany anao manao hoe: «Inona izao no mavesatra ho an’i Iaveh?» dia valio hoe: «Ianareo no izany mavesatra izany, ary hariako ianareo.» - teny marin’i Iaveh. -
Harato ny volonao, dia ario; ka miventesa hira fisaonana eny amin’ny havoana, satria nakifik’i Iaveh sy nolaviny, ny taranaka mahatezitra azy.
Harian’ny Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy, ka ho mpirenireny foana eny amin’ny firenena.
Telo no mpiandry noesoriko tanatin’ny iray volana monja. Ary izaho, tsy nahatsindry fo tamin’ny ondry; izy ireo koa tofoka ahy.
Ianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa dia hariana any alatrano hohitsahin’ny olona.
Koa hoy izaho: Moa dia narian’Andriamanitra va ny olony? Sanatria izany! Fa izaho koa dia Israelita, taranak’i Abrahama, sy fokon’i Benjamina,