Jeremia 6:24 - Baiboly Katolika Vao nandre azy tamy izahay, dia niraviravy tanana, velon-tebiteby, azom-panaintainana, hoatra ny vehivavy miteraka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Renay ny lazany ka miraviravy tanana izahay; fahoriana no mahazo anay, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy eo am-piterahana. DIEM PROTESTANTA Renay izany vaovao izany ka niraviravy tanana izahay, sady tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Renay izany vaovao izany ka niraviravy tanana izahay, sady tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka. Baiboly Protestanta Malagasy Efa renay ny lazany, Ka miraviravy tànana izahay; Fahoriana no mahazo anay, Eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka. Malagasy Bible Efa renay ny lazany, ka miraviravy tanana izahay; Fahoriana no mahazo anay, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka. La Bible en Malgache Renay ny lazany ka miraviravy tanana izahay; fahoriana no mahazo anay, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy eo am-piterahana. |
Izany no nahafeno tebiteby ny valahako; voan’ny fanaintainana aho, toy ny vehivavy miteraka. Miolanolana aho, mahare izany; tsiravina aho mahita izany;
Isaky ny avy izy, hahatratra anareo, fa ho avy izy rahampitso sy rahampitso andro aman’alina; ny fangorohoroana ihany no hanao fananarana anareo!
Hanao ahoana kosa ianareo, rehefa tendren’i Iaveh ho tomponao ireo nampianarinao hamely anao - ireo mpifankazatra aminao! Moa tsy hahazo anao va ny fanaintainana, toy ny an’ny vehivavy raha miteraka?
Ianao izay mitoetra any Libàna, sy manao ny akaninao any amin’ny sedera, endrey izany fitarainanao, rehefa tratry ny fanaintainana ianao, fifanintontsintonan’ny tena toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza!
Anontanio sy zahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza. Ka nahoana ity lehilahy rehetra no hitako manery tehezana amin’ny tanany hoatra ny vehivavy mihetsi-jaza, ary nahoana no tonga hatsatra avokoa ny tarehy?
Fa izaho nandre feo, toy ny an’ny vehivavy mihetsi-jaza, tahaka ny fidrìdridrìdrin’ny vehivavy vao miteraka voalohany, dia ny feon’ny zanaka vavin’i Siôna; fa sady velon-taraina izy, no mitsotra tanana manao hoe: «Loza no manjò ahy, maty ny aiko, azon’ireo mpamono olona!»
Azo i Kariota; afaka ny trano mimanda; ary ny fon’ny mpiady maherin’i Moaba amin’izany andro izany, dia toy ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.
Ketraka i Damasa ka nihodina handositra; azon’ny vadi-po izy; ny fangirifiriana amam-panaintainana manindry azy, tahaka ny vehivavy raha miteraka.
Nandre izany ny mpanjakan’i Babela dia niraviravy tanana, nandry andriran’antsy, tra-panaintainana toy ny vehivavy eo am-piterahana.
Vao nandre aho dia nivadika ny tsinaiko; mipararetra amin’izany feo izany ny molotro, idiran’ny fahalòvana ny taolako, mangovitra ny lohaliko eo ambaniko, noho ny tsy maintsy hiandrasako amim-piadanana ny andro mahory, izay hiakaran’ny fahavalo hampahory ny vahoaka anankiray.
Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe: Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany! Iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohoka, ka tsy ho afa-mandositra izy.